Fitantarana manokana mikasika ny Fihetsiketsehana ao Yemen taona 2011 ity lahatsoratra avoakanay ity.
Nisesisesy ny fiarahabana avy eny rehetra eny hatramin'ny nanambarana ny anaran'ny olona nahazo ny Loka Nobel ny Fandriampahalemana amin'ity taona ity izay efa niandrasana hatry ny ela. Mpanao gazety Yemenita sady mpitolona i Tawakkol Karman, manampy ny Filoha Liberiana Ellen Sirleaf sy ny mpitolona ny fandriampahalemana Liberiana Leymah Gbowee izy satria izy telo no nandrombaka ny loka amin'ity taona ity.
Mamirapiratry ny rehareha tanteraka ny tontolo Arabo noho ny fanekena ny revolisiona feno hafanam-po ho toy ny fihetsiketsehana milamina. Sarobidy tokoa ny loka izay nankasitraka ny ezaka sy ny fahafoizan-tena nataona vehivavy sy ny andraikitra nosahaniny tamin'ny fametrahana fanovana eo anivon'ny fiaraha-monina misy azy ireo.

Mpanao gazety Tawakkol Karman niresaka tamin'ny fampahalalam-baovao. Sary: Sam McGregor, copyright Demotix (22/09/2011).
Yemeni blogger Afrah Nasser niantsoantso hoe:
@Afrahnasser: Aza mba manambany ny vehivavy Yemenita!!! MANDRAKIZAY! TOHIZO TOHIZO TOHIZO Tawakkol !!
Yemenita ni-tweet momba ny Vehivavy avy any Yemen:
@WomanfromYemen: inona no tokony hotsarovana momba an'i #TawakkulKarman, ny andraikitra nosahaniny tamin'ny fanehoany ny fanoherana ny tsy rariny & fampijalina nanomboka tamin'ny taona 2007 #supportyemen #yemen
Avy any Doha, Qatar, Abdulrahman Warsame nanamarika hoe:
@abdu: Manome hery ny revolisiona Yemen izay manohitra ny fanohanan'i Saodiana/Amerikana an'i Salah ny fanomezana ny loka ho an'i Tawakkul Karman #Yemen #arab
ary nanampy hoe:
@abdu: Tawakkul Karman namorona ny fikambanan'ny vehivavy mpanao gazety voalohany ao Yemen no sady tompon'andraikitra voalohany tamin'ny revolisiona Yemen #Nobel #Yemen
Ibrahim Al Qahtani, avy any Arabia Saodita, nampahatsiahy anay hoe:
#yemen قادت توكل كرمان اكثر من ٨٠ اعتصام سلمي في ٢٠٠٩ و ٢٠١٠ واليوم تفوز بنوبل للسلام.شفتو ان الإعتصامات السلميه اكثر سلميه من السكوت المؤقت
Sally Mens manana soso-kevitra ho an'ny Filoha Yemenita Ali Abdulla Saleh:
@Snemyllas: Raha izaho i #Saleh, esoriko teo ireo tafika ao amin'ny arabe ao #Sanaa satria hiaradia amin'i Tawakkol Karman ny fampahalalam-baovao manerantany amin'ity Zoma ny Diabe ao #Yemen ity.
Farany saingy tsy latsa-danja, NoonArabia, bilaogera Yemenita, namehy ny fihetseham-pon'ireo Yemenita maromaro. Nanoratra izy hoe:
@NoonArabia: Yemenita Tawakkol Karman no mendrika tamin'ny Loka Nobel ny Fandriampahalemana taona 2011. Voninahitra sy rehareha ho an'ny #Yemen rehetra izany. Arahabaina #TawakkolKarman
Nilaza koa ny mpisionkatserasera fa ao amin'ny Twitter Ramatoa Karman. Nametraka kaonty voaaro izahay izay mitondra ny anarany eto.