Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Oktobra, 2018
Azerbaijan : Lahatsary Fanentanana Ho Famotsorana An'ireo Mafana Fo Nofonjaina
Ny fitazonana vao haingana an'ireo roa mafana fo amin'ny tambajotra sy mpitarika ny hetsiky ny tanora ao Azerbaijan, tamin'ny herinandro lasa teo, dia nampisy fahaketrahana tamin'ireo blaogera sy ireo mafana fo tao anatiny ary tany ivelan'i Azerbaijan, ary ankehitriny, fanentanana lahatsary iray no nalefa mba hiantsoana ny governemanta azeri hihetsika mba hamotsotra an'ireo tomponandraikitra roa avy amin'ny hetsiky ny tanora: Adnan Hajizada sy Emin Milli.
Maldiva: Fanakatonan'ny Blaogin'ireo Mpanohitra Sy Mpanenjika Silamo

Vohikala marobe nampangaina ho mpanohitra sy mpanenjika silamo no tsy azo idirana intsony ao Maldiva. Nanome baiko ny Tomponandraikitry ny Serasera [Telecommunication Authority of Maldives (TAM)] ny Minisitry ny Raharaha Silamo mba hanakatona ny fidirana amin'ireo vohikala ireo.
Navotsotry Ny Tajikistana Ilay Mpitoroka Saingy Mbola Manaraka Ihany Ny Fanamelohana
Nanao ny asany tokoa ilay fanentanana nampiasàna ny tenifototra #FreeKhayrullo (Avotsory i Khayrullo) ka nampihemotra ny governemanta. Ankehitriny, tsy amin-tahotra no nilazan'i Mirsaidov fa hanao fampakarana io fanamelohana azy io izy.
Bolgaria: Miaro ny fahalalahana maneho hevitra an-tambajotra sy ny fiarovana ny tontolo iainana (ampahany voalohany)
Niteraka fanehoan-kevitra mavitrika teo amin'ny tontolon'ny blaogy bolgara ary koa hetsika tena mavitrika amin'ny fiarovana ny tontolo iainan'ny firenena ny fanapaha-kevitry ny fitsarana raharaham-pitantanana ao Borlgaria (VAS) tamin'ny 29 jona 2007 ny hanala ny sokajy maha faritra voaaro ny valan-javaboahary nasionaly Strandzha.
Fahalalaham-pitenenana sy fankalazana mozika ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Maraokana
Lohahevitra maro samihafa no nasongadina tamin'ny herinandro, tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Maraokana. Hatomboko amin'ny Farid sy ny antontan'isany mahaliana momba ny fitoraham-blaogy any Maraoka. Avy eo i Reda izay nahita, noho i Shimon Peres, fa misy fifandraisana misy eo amin'ny hakamoana sy ny finoana silamo
Mankalaza ny sakafo indizeny amin'ny fanamby an-tserasera ho an'ny sakafo ara-pahasalamana ny Meksikana
Mihinana sakafo voahodina kokoa noho ny any amin'ny firenena Amerika Latina ny Meksikanina na dia eo aza ny sakafon'ny indizeny izay be otrikaina ao amin'ny firenena.
Manana olana fangalarana anaran'olona ny Twitter Nizeriana — fa mbola tsy mihetsika ny sehatra (orinasa)
Feon-dakolosy mampanahy ny tsy mbola nanakatonan'ny Twitter ny fijoroan'ireo kaonty mangalatra anarana amin'izao fanatonan'ny fifidianana ankapobeny taona 2019 izao.
Kambodja: Ny Famotehana ny Dey Krahorm
Rava ny tanana tsizarizary tao Dey Krahorm ao Phnom Penh [teny anglisy]. Vinaniana ho 800 ka hatramin'ny 1 400 no isan'ireo olona nipetraka tao tamin'ny taona 2005. Notombanan'ny Tanàna ho fianakaviana 90 sisa no tavela tao.
Hetsika Mandao Fonenana: Mandrisika ireo tanora Angoley hisaraka amin'ny ray aman-dreniny ny fironana vaovao ao amin'ny tambajotra sosialy
"Amin'izao fotoana izao, ety an-dàlana aho mitomany sady tsy fantatro hoe aiza no halehako."
Koety: Fandrahonana toy izany ve ireo bilaogera?
Nesorina tsy nisy fampandrenesana mialoha ny fandaharana taorian'ny fizarana iray manasongadina vondrona bilaogera Koetiana sy ilay bilaogera Bahrainita Mahmood Al Yousif.