· Septambra, 2020

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Septambra, 2020

(2010) Kolombia: Fanomezana virtoaly ho an'i Medellín noho ny faha 335 taonany

  21 Septambra 2020

Nankalaza ny faha-335 taona niorenany ny tanàndehiben'i Medellín ny 2 Novambra 2010. Nosokafana tao amin'ny Twitter ny kaonty @cumplemedellin ahafahan'ny olom-pireneny misioka ny fanomezana fanamarihana tian'izy ireo atolotra ny tanàna noho ity fotoana ity. Inona no atolotrao ny tanandehibenao amin'ny "tsingerintaona" nijoroany ? Ny siokan'ireo olom-pirenena tao medellin iray volana mialoha ilay andro.

(2009) Topimaso momba ny Vovonan'i Amerika

  18 Septambra 2020

Raha efa akaiky ny fanokafana ny Vovonan'i Amerika Fahadimy ahitana mpitondra miisa 34 avy amin'ny Ila Bolantany Andrefana hiara-midinika ny olana mifandraika amin'ny fanambinan'ny olombelona, ​​ny tontolo iainana lovainjafy ary ny fiarovana ny angovo, ary mazava ho azy ny krizy ara-bola manerantany dia nanohy nanara-maso akaiky ny fivoaran'izany ireo bilaogeran'ny renim-paritra.

Ejipta: Antsafa natao tamin'ilay mpanao herisetra amin'ny “Baha'is”

  02 Septambra 2020

Tsy nahagaga ahy ireo teny nambaran'i Mohamed; efa im-betsaka aho no nandre momba ireo Kristiana, Jiosy, pelaka sy "Ny Hafa" teto amin'ity planeta ity ; Ilay "Hafa' no tondroina mandrakariva ho tsy mpino ... ahilika...ankahalaina... [...] inona no hoavin'ny firenena iray izay ny ankamaroan'ny mponina ao aminy no manda tsy hanaiky ny "Hafa" ?