Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Jolay, 2019
Arzantina: Ny olana amin'ny fiarandalamby
Lohahevitra mahamenatra ho an'ireo Arzantina maro ny fitokisana fiaran-dalamby. Milaza ny sasany amin'ireo fitarainana goavana fa tsy mba raharahiana ny fiarandalamby, tara foana izy ireo, miova foana ny ora fiaingàina, ary marobe ireo loza miseho.
Iran: Lahatsarin'ny fihetsiketsehana sy ny fandrehetan-dabozia
Niteraka korontana mahery vaika tsy nisy toy izany hatramin'ny Revolisiona Islamika tamin'ny taona 1979 ny fifidianana nampiadihevitra tamin'ny 12 Jona 2009 tao Iran izay namerina ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad teo amin'ny fitondrana indray. Nitaky ny hanafoanana ny fifidianana ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitarika ny mpanohitra, Mir Hussein Mousavi.
Tontolo arabo: Miantso an'i Gaza sy ny ady ara-teknolojika atao amin'i Israely
Miantso ny mpamaky azy ireo bilaogera mba handray ny telefôniny ka hiantso ireo mponina ao Gaza mba hanome fanohanana azy ireo. Eo koa ny Palestiniana mpikatroka mandrisika ny mpamakiny hiantso ny manampahefana Israeliana - ary mandany ny fotoanan'izy ireo, ary mitoratoraka mailaka amin'ny fax-ndry zareo sy mameno hafatra ny fitoeran-taratasy.
Moa ve handràra ny fampitam-baovao tsy miankina amin'ny alàlan'ny lalàna i Kiobà? Handrara ny fampiantranoana tranonkala vahiny ny didim-panjakana vaovao
"Mamela ny fampahalalam-baovao tsy miankina tsy hanan-tsafidy "ara-dalàna" amin'ny fampiantranoana ny lalàna," hoy ny mpanao gazety ao an-toerana sady mpanoratra ato amin'ny Global Voices Elaine Díaz .