Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Febroary, 2013
Voin-Kava Mahatratra taorian'ny voina nateraky ny fandalovan'ny rivodoza Haruna tany amin'ny faritra Atsimo-Andrefana Madagasikara
Araky ny Birao Nasionaly Misahana ny Fiahiana ny Loza Voajanahary na ny BNGRC taorian'ny fandalovan'ny rivodoza Haruna dia nahatratra 23 ny isan'ireo aina nafoy, 16 ireo tsy hita popoka, 126 ireo naratra ary miisa 38'778 ankehitriny ireo voadona ka ny 12'500 amin'ireo dia tsy manan-kialofana... Mbola mitohy ny fanisana
Hamarino Tsara: “Colombia, Fa TSY Columbia”
Mba ho fiezahana hamerenana amin'ny laoniny sy hanitsiana ny fahadisoana fahita amin'ireo mpiteny anglisy, sy hanatsarana ny endriky ny fireneny dia misy tanora matihanina Kolombiana efatra nanokatra fanentanana amin'ny tambajotra sosialy manao hoe "Colombia, Fa TSY Columbia."
Niteraka Resabe Ny Fitetezam-pirenena Nataon'ilay Bilaogera Kiobàna Yoani Sánchez
Hatramin'ny taona 2004, sambany nandao an'i Kiobà ilay Bilaogera Kiobàna efa nahazo fankasitrahana Yani Sánchez tamin'ny Alahady lasa teo. Handeha hitsidika sy handray anjara amin'ny dinidinika (forum) any amin'ny oniversite,...
Syria: “Lens of a Young Homsi”, Sarin'ny Tanàna Iray Atao Fahirano
Nanjary loharanom-baovao manana ny lanjany mikasika ny tanàna Siriana iray iharan'ny fahirano ny vondronà iray ahitàna tanora mpaka sary avy ao Homs. Fanampin'ny fanaovany izay hahafantaran'izao tontolo izao ny zava-mitranga isanandro ao Homs, mahazo fangatahana ihany koa ry zareo isanandro avy amin'ireo olona nandositra ny tanàna ka te-hahalala raha toa rava na tsia ny trano fonenan'izy ireny.
Naàton'ny Fitsarana Braziliana Ilay Taratasy Fanesorana Ireo Vazimba Teratany Tao Guarani-Kaiowá
Nahazo fanohanana goavana tamin'ilay tolona natao hanoherana ny fanalàna azy ireo tamin'ny taniny ilay fanentanana faobe tanaty aterineto izay valin'ilay antso nataon'ireo vazimba teratany ao Guaraní-Kaiowá tao Pyelito Kue ao Mato Grosso do Sul dia. Ny faran'ny volana Oktobra 2012 lasa teo,nanapa-kevitra ny fitsarana ao Brazila ny hanafoana ilay didy fanesoràna azy ireo amin'ny taniny. Na dia izany aza anefa,mbola mitohy ny tolona mandra-panamarika mazava tsara ny faritry ny tanin'izy ireo.
Koety: Bilaogera-Mpaka Sary Norahonana sy Nodarohan'ny Polisy
Nitsahatra amin'ny fikatrohany ilay bilaogera-mpaka sary malaza amin'ny fitantarana ny herisetra mihatra amin'ireo mpanao fihetsiketsehana tsy manan-tanindrazana ao Koety, nanoratra tao amin'ny Twitter izy fa novonoina sy noteren'ireo manampahefana hanao...
Tafaray Ao Shahbag Ny Bangladesy Noho Ny Faha- 42 Taonan'ny Heloka An'ady
Tsikelikely, nanjary ranomasimben'ny olona ny fiolanana Shahbag ao andrenivohitry Bangladesh, ao Dhaka, ho fitakiana ny rariny noho ireo habibiana niseho nandritra ny tolom-panafahana tamin'ny taona 1971 sy ho fitakiana ny fanasaziana ho faty ireo meloka...
Vitan'ny Artista Bangladeshi Sariitatra Ny Hetsi-Panoherana ao Shahbag
Mandroandroatra hatraty amin'ny andro faha-12 ny hetsi-panoherana ao amin'ny kianja Shahbag ao an-drenivohitr'i Bangladesh, izay itakian'ny olona an'arivony mivory ao ny fahafatesan'ireo meloka an'ady. Isan'andro no itakian'ireo olona an-jatony, tanora na antitra,...
Hong Kong : Mafàna Fo Nogadraina Noho Ny Fandoroana Sainam-Pirenena Shinoa
Voasazy sivy volana an-tranomaizina ilay mafàna fo ao Hong Kong tamin'ny Alakamisy noho ny nandoroany sy nandrovitany sainam-pirenena Shinoa sy sainam-pirenena Hong Kong nandritra ny hetsika in-droa miantaona nanoherana ny governemanta kaoministy ny tanibe , nanaitra ireo maro mpiserasera amin'ny aterineto hampiakatra ny fanivaivàny ny sainam-pirenena Shinoa amin'ny nahim-pony ho fanoherana ilay sazy mavesatra..
Espaina : Fandresena eny an-kianja sy amin'ny Aterineto Ho Fanoherana ny Fandroahana
Vitan'ny Sehatr'ireo Lasibatry ny Fanaovana Antoka (PAH), niaraka tamin'ny hetsika ara-tsosialy goavana ny nampanovan'ny Kongresy ny lalàna momba ny fanaovana antoka espainola. Resy tosiky ny vahoaka, nifandamina tao amin'ny fanentanana an-tserasera, #ILPescrache, nataon'ny PAH ihany ny Antokom-Bahoaka.