· Desambra, 2010

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Desambra, 2010

Côte d'Ivoire: Vahoaka mizotra mankany amin'ny “Revolisiona Orange” iray hafa?

Na dia efa tsy milamilana be ihany aza ny rivotra iainana any Côte d'Ivoire, dia niakatra zana-tohatra vitsivitsy indray ny fihenjanana nandritra ny andro faramparany teo. Taorian'ny korontana tamin'ny 12 Desambra teo amin'ny antoko roa mpifanandrina sy ny fanalavàna ny tsy fahazoana mivoaka amin'ny alina nataon'i Laurent Gbagbo, dia miantso ny vahoaka ankehitriny i Alassane Ouattara sy ny mpiara-dia aminy mba "hanao fanoherana faobe am-pilaminanana sy ara-demokratika mba hametrahana ny fitantanana ara-dalàna sy ara-drariny". Maneho fihetseham-po mialoha ilay fotoan-dehibe mamaivaiy loatra ny mpitoraka bilaogy:

27 Desambra 2010

Oman: Sàngany amin'ny fitorahana bilaogy no mitantara ny aminy

Ny bilaogy ao Oman, tahaka ny any an-kafa aty amin'ny faritra, dia tsy malaza loatra miohatra amin'ny toeram-pifanakalozan-dresaka (forum) amin0ny aterineto, saingy nisy fitoboroboany kosa ny fitorahana bilaogy tato anatin'ny taona vitsy. Global Voices dia nitafatafa tamin'i Muawiyah Alrawahi, tanora iray mpitoraka bilaogy namporisika ny Omanis (ilazàna ny olona avy any Oman) mba hitoraka bilaogy sy hanokatra adihevitra ho an'ny daholobe eo amin'ny firenen-dry zareo, amin'ny fanamafisana fa "ny olana tsy ifanakalozantsika hevitra no olana tsy ho voavahantsika".

25 Desambra 2010

Venezoela: lany ilay volavolan-dalàna handrindràna ny aterineto

GV Mpisolovava

Tamin'ny Alatsinainy 20 Desambra lasa teo, dia nandàny ny volavolan-dalàna izay manome fahefana ireo Mpanatanteraka handrindra ireo zavatra rehetra azo tsidihana ao amin'ny Aterineto any Venezoela ny Parlemanta Venezoeliana. Amin'ny alalan'ny sampan-draharaham-pitantanana, ny CONATEL, dia manana andraikitra hisakana ireo zavatra rehetra mety hifandona amin'ny antoko faha 28 sy 29 ireo ISP mpanome tolotra aterineto rehetra any Venezoela

25 Desambra 2010

Côte d'Ivoire: Manahy ny vanim-potoana vaovao hisian'ny fandrahonana any Abidjan ny mpampiasa Aterineto Ivoriana

Mihamahery setra tsikelikely ny krizy ara-politika any Côte d'Ivoire. Raha ny hevitry ny Firenena Mikambana, dia olona 50 no maty ary 200 no naratra nandritra izay telo andro farany izay. Nesorina tamin'ireo fampisehoana tantara misy herisetra nandritra ireo ady sasany ny haino aman-jery nentim-paharazana fa ny mampiasa aterineto koa dia niezaka ny naneho ny horonan-tsary sasany ahitana ireo herisetra manodidina ny firenena.

24 Desambra 2010

Iran: Mpitoraka blaogy kely taona indrindra maneran-tany voasambotra

Tsy fanta-daza eo amin'ny fanenjehana mpitoraka blaogy fotsiny ny governemanta Iraniana, fa mitàna ny laharana voalohany koa izy ireo eo amin'ny sehatra maro: nanomboka tamin'ny fampidirana am-ponja ny mpitoraka blaogy voalohany indrindra teo amin'ny tantara, hatramin'ny nahafatesan'ny mpitoraka blaogy voalohany tany am-ponja. Mampalahelo anefa, fa mbola misy zavatra hafa mbola mahatsiravina noho izany tokony ampidirina ao anatin'ny lisitry ny firenena Iraniana eo amin'ny fahaiza-manaony dia ny fisamborana sy fitsaràna mpitoraka blaogy kely taona indrindra.

16 Desambra 2010

Cablegate: Lesona momba ny teknolojian'ny fangaraharana

Ny telegrama mahatratra hatramin'ny 250.000 ifandraisan'ny Departemantam-panjakana sy ny Masoivoho Amerikana antsoina hoe "Cablegate" avoakan'ny Wikileaks no raharaha mahoraka indrindra eo amin'ny gazety sy ny fitondrana isan-karazany amin'izao fotoana izao. Renata Avila no mijery hoe tahaka ny ahoana no ampianaran'ny Cablegate antsika ny antsoina hoe teknolojian'ny fangaraharana.

08 Desambra 2010

Tonizia: Mitohy ny sivana, manohy ny diany ireo Telegraman'ny Wikileaks

GV Mpisolovava

Nitsoratsoraka tamin'ireo Cables (Avy amin'ny mpandika: ndeha hatao hoe "hafatra maika") farany Wikileaks nalefan'ny Masoivoho Amerikana ary nanolotra tranonkala vaovao hemerenana mamoaka sy miady hevitra momba ireo ampamoaka mikasika ny firenen-dry zareo ny mafàna fo Toniziana. i Nawaat no namokatra ny Tunileaks, ora iray taorian'ny nipariahan'ireo hafatra nalefan'ilay tranonkala tamin'ny Alahady 28 Novambra.

08 Desambra 2010