Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Desambra, 2016
‘Mpiadin'ny Kitendry’ Te Haka Indray An'i Kenya (#TakeBackKenya)
Na dia nampiasa baomba mandatsa-dranomaso mba hanaparitahana ny mpanao fihetsiketsehana nandritra ny diabe #TakeBackKenya tao Nairobi aza ny polisy, dia vonona hanohitra ny kolikoly sy ny tsy fahaiza-mitantana ny Kenyana.
Albaniana avy ao Makedonia Nivoaka ny Tsipika Ara-Poko Handatsa-Bato Ivelan'ny Antoko Mitondra
Manana anjara toerana lehibe eo amin'ny politika Makedoniana ny resaka foko, ary ny Albaniana no foko faharoa maro an'isa indrindra ao amin'ny firenena.
#FreeMaxenceMelo: Nenjehin'ny Manampahefana Amin'ny Lalàna Mifehy Ny Heloka Antserasera Ny Tompon'ny Tranonkala Mpanao Ampamoaka ao Tanzania

Ny filazana an'i 'Tanzania' sy ny 'demaokrasia' amin'ny fehezan-teny iray dia mitovy amin'ny fanesoana ny teny hoe 'demaokrasia'.
Tatitra Tsy Miankina Manolotra Fahitana Manahirana Momba Ny Zo Nomerika Ao Ekoatera

Ny sehatra nomerika Mil Hojas sy Usarios Digitales dia mampiseho tatitra hafa noho ny an'ny Filankevitry ny Firenena Mikambana momba ny Zon'Olombelona ho anisan'ny Fandinihana ara-potoana ny Zon'olombelona manerana izao tontolo izao.
Nanome Tsiny ny CNN Noho ny Vaovao Diso Momba ny Fireneny Taorian'ny Fifidianana Ny Ghaneana
"Tati-baovaon'ny kamo avy amin'ny @CNN ao anaty tantara mahafinaritra. Tsy mba misy fahasamihafana kely, fa marika mahazatra "Mijaly ny Afrikanina."
Nobahanana Ny Tranonkala Media Sosialy Tao Kazakhstan Tamin'ny Faha-25 Taonan'ny Fahaleovantenany

Nitatitra ny mpikatroka fa tsy azo nidirana ny Facebook, YouTube, sy ny media sosialy hafa tao Kazakhstan tamin'ny Zoma, fankalazana ny faha-25 taona fahaleovantenan'ny firenena.
Mihetsika Amin'ny Fanakanana Ny Tor I Belarosia Hiadiana Amin'ny Fanafenana Anarana An-tserasera

Miroso amin'ny ezaka hanenjehana ny Tor i Belarosia. Kanefa moa ve manana ny fahaiza-manakana ny tambajotra manafina anarana i Minsk ?
Mihaona Ivelan'ny Aterineto ireo Mpikatroka Nomerika Hampiroborobo Ny Fimaroam-Piteny Antserasera Ao Bolivia

Mahatonga ny firenena hanana kolontsaina sy fiteny isan-karazany ny teny ofisialy miisa 37 ao Bolivia. Na dia izany aza, tsy voatery hita foana ao amin'ny aterineto izany fahasamihafana izany.
Miady Hevitra Momba Ny Hoavin'ny Fikatrohana Nomerika Ireo Mpisera Mozambikana
Nivory tao Maputo ireo bilaogera, mpanao gazety, mpikatroka nomerika mba hizara hevitra momba ny fampitam-baovao Mozambikana ary hanangana fiaraha-miasa vaovao ao amin'ny fihaonambe nokarakarain'ny Deutsche Welle (DW).
Lasibatry ny Governemanta Sodaney ny Mpikatroka, Tampenam-Bava ny Fampahalalam-baovao Mitatitra Tsy Fankatoavam-Bahoaka

Nanomboka tamin'ny 27 Novambra ny hetsika tsy fankatoavam-bahoaka rehefa nesorin' ny governemanta ny fanampiana ara-bola amin'ny herinaratra, ny akoran'afo ary ny fanafody.