· Novambra, 2010

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Novambra, 2010

MalawiSoc: Manaraka ny vaovao sy ny bilaogy Malaoita

Clement Nthambazale Nyirenda diampianatra mamarana ny fianarany hahazoany ny doctorat ao amin'ny laboratoara Hirota/Sakurai, Department of Computational Intelligence and Systems Science ao amin'ny Ivontoerana momba ny Teknolojia any Tokyo no sady mpampianatra mpikaroka sy fakan-kevitra ao amin'ny Sampam-pianarana Elektronika sy momba ny haitaon'ny Solosaina ao amin'ny Malawi Polytechnic. Izy no namorona ny MalawiSoc, tranonkala sosialy anovana ireny 'bookmarking' ireny, voatokana ho an'ny vaovao sy ny bilaogy mikasika an'i Malawi.

30 Novambra 2010

Madagasikara: Ny fizotry ny fanongam-panjakana tsy nahomby raha zohina arak'ireo Tweets

Ary satria efa toa zary isan-taona mihitsy no itragan'ny tetika fanonganam-panjakana any Madagasikara, ny fandefasana Twitter ataon'ireo mponina any an-toerana dia ahitana taratra ny fivoatry ny fiokoan'ny manamboninahitra maromaron'ny tafika, ny sasantsasany amin'ireo vao avy nandray anjara tamin'ny fanonganam-panjakana nahomby tamin'ny taona 2009. Avylavitra no nandrohy Tweets ho vakana ahafahana manaraka mandritra ny andro mifanesy izay fizotr'ity fanongam-panjakana tsy nahomby ity.

24 Novambra 2010

Amerika: Tsiaro an'aterineto mpifindra monina 72 tratran'ny famonoana faobe

Taorian'ny roa volana farany teo, dia nanangana tetikasa amin'ny alalan'ny aterineto ilay mpanao gazety fanta-daza Alma Guillermoprieto vokatry ny famonoana olona miisa roa amby fitopolo niseho tao amin'ny firenena Meksikan'i Tamaulipas tamin'ny volana Aogosotra taona 2010. Ny 72migrantes.com dia vohikala natao hanehoam-pahatsiarovana an'ireo mpifindra monina novonoina ho faty.

22 Novambra 2010

Tonizia: Fanombohan'ny Fanentanana Manokàfa Bilaogy

Taorian'ny fito volana nipetrapetrahan'ny fitorahana bilaogy, noho ny faneriterena nataon'ny manampahefana niafara tamin'ny nandràrana bilaogy efa ho 100 mahery, namondron-kery ireo Toniziana mpitoraka bilaogy ka nankahery ny olona mba hanomboka hizara ny eritreriny sy ny zavatra iainan'izy ireo eo anivon'ny aterineto. Vao natomboka nalefa mihitsy ny "Manokàfa bilaogy" hisarihana mpitoraka bilaogy vaovao ho ady amin'ny sivana.

22 Novambra 2010

Ejipta: Afaka i Kareem Amer!

Taorian'ny 1470 andro nolaniany tany am-ponja, afaka ihany nony farany ilay Ejiptiana mpitoraka bilaogy Kareem Amer. Nihoatra 10 andro amin'ilay efatra taona voatondro hohefainy noho ny faniratsirana ny Silamo sy ny Filohan'i Ejipta Mohammed Hosni Mubarak tao amin'ny bilaoginy (Ar) izany

19 Novambra 2010

Chile: Mpianatra Manao Dia Lavitr'ezaka Maherin'ny Arivo Kilaometatra ho an'ny Fanabeazam-Bahoaka

Mpianatra Siliana telo avy amin'ny Anjerimanontolo no nanomboka Dia lavitr'ezaka tamin'ny 30 Septambra lasa teo. Manao ilay Dia lavitr'ezaka ry zareo ho an'ny Fanabeazana Siliana ary hanàla 1000 km mahery manerana an'i Chili mandrapaha-tongany any Santiago renivohitra. Mandeha am-pilaminana ry zareo ho fanoherana ny fanomezana ny fitantànana ny fanabeazana ao amin'ny firenen-dry zareo ho an'ny tsy miankina.

11 Novambra 2010

FOKO: Tamboho Gasy

Rising Voices

Ny mpitoraka bilaogy ao amin’ny Rising Voices mpikambana ao amin’ny FOKO Madagasikara dia mankafia manoratra mikasika ny tontolo manodidina azy ireo. Ao anatin'ity fantina ity no ahafantarantsika mikasika ny “Tamboho gasy” – tamboho nentin-drazana Malagasy, sy zavatra hafa koa.

02 Novambra 2010