Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Marsa, 2022
Hetsika lehibe fandikan-teny Shinoa: Mampihanjahanja propagandy Shinoa sa manaparitaka fankahalana?
Manahy ny sasany fa ny fandikana teny fankahalana ao amin'ny media sosialy Shinoa dia hiteraka fihetseham-po manohitra ny Shinoa eo amin'ny fiarahamonina tandrefana, ny hafa kosa mino fa afaka manohitra ny fampielezan-kevitra Shinoa izany.
Blaogera iray any Odessa mitondra feo hafa amin'ny fitantarana Shinoa momba an'i Okraina
Mpandraharaha Shinoa iray monina ao Odessa any Okraina no nivadika ho bilaogera manana ny fomba fijeriny manohitra ny fanafihan'ny Rosiana, nefa voasivana sy notafihana tao amin'ny media sosialy Shinoa.
Tanora Montenegrin mamoaka hira manohitra ny ady, ho an'ireo ankizy ao Okraina
Hira sy lahatsary navoakan'ny orinasa media Vijesti izay mampiasa azy ireo ho fampiroboroboana ireo hetsika ho an'ny maha-olona hanampiana an'i Okraina.
Handeha hiaraka hiady amin'ny herisetra amin'izao Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy izao
Amin'izao Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy izao, tsy maintsy miara-miasa isika mba hahatonga ny vehivavy hitovy eo anivon'ny fiarahamonina, manomboka amin'ny fanafahana amin'ny herisetra, miaraka amin'ny fifanekena iraisam-pirenena ho an'ny fahatsapan-tena sy fandraisana andraikitra lehibe.
Mitokona tsy mihinan-kanina ilay bilaogera Iraniana malaza Hossein Rongahi taorian'ny fakàn'ny manampahefana an-keriny azy
Nentin'ny mpitandro ny filaminana nandritra ny bemidina ilay bilaogera, tsy nampahafantarina ny fiampangana azy na ny toerana misy azy akory ny fianakaviany. Niseho tao amin'ny fonjan'i Evin malaza ratsy izay nitazonana azy tamin'ny taona 2010 izy taty aoriana.
Maneho ny ahiahiny momba ny Volavolan-dalàna mikasika ny Zon'ny mpamorona any Kenya ireo vondrona ara-panatanjahatena manerantany
Nanoratra taratasy ho an'ny governemanta Kenyana ny fiaraha-mientan'ny vondrona ara-panatanjahantena eran-tany maneho ny ahiahiny momba ny volavolan-dalàna fanitsiana ny zon'ny mpamorona, ary nanamarika fa mety hanakana kokoa ny votoaty ara-panatanjahantena izany.