Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Jona, 2020
Fanongotana sarivongana (tsangambato) : Frantsa miatrika ny lasany momba ny fanjanahana sy ny fanandevozany
Tena ao anatin'ny fanetsehana erantany manohitra ny fanavakavahana, mizarazara ny hevitra ao Frantsa momba izay hiafaran'ireo sarivongana mampiseho endrika mifandray ara-tantara amin'ny fanandevozana sy ny fanjanahantany.
Jona 2020, iray volan'ny #BLM ao Japàna
Ny volana Jona, nitranga tany aminà tanàna isankarazany manerana an'i Japàna ireo famoriambahoaka "Black Lives Matter", tafiditra ho isan'ny fanehoana firaisankina erantany miaraka amin'ireo mpanao hetsipanoherana ao Etazonia sy any amin'ireo firenena hafa.
Ahoana ny fomba ataon'ny literatiora nentindrazana Nepaley hametraka marika eo amin'ny sehatra erantany?
Ny talen'ny hetsika Global Literature in Libraries Initiatives (GLLI) no manazava ny fomba afaka ataon'ny literatiora nepaley mba hahazoany olona betsaka kokoa.
Mamaivay ny tsikera mahazo ilay tantara foronina miresaka ankohonana meksikana nifindramonina ho any Etazonia
"Ny fahitana an'i Lydia ho gaga hatrany amin'ny fiainana andavanandron'ny fireneny, fiainana haiko tsara amin'ny maha- chicana ahy miaina ao en el norte [avaratra], no lasa mampihevitra ahy fa ... Tsy Meksikana azo itokisana i Lydia. Hita hoe mijery ny tanindrazany amin'ny mason'ny mpizahatany amerikana milalao tafahoatra ny dona ara-pihetsehampo izy."
Hetsipanoherana “Black Lives Matter” tao Trinidad & Tobago nitarika nankany amin'ny resaka foko
Avoitran'ny hetsika "Black Lives Matter" ny fanavakavahana misy ao amin'ilay firenena nosy roa mitambatra
Diarin'ny COVID-19 avy any Wuhan: Rehefa lasa fanangonam-baovaon'olom-pirenena ny diary
"Lasa toy ny bibin-tsaonjo miova ho lolo ny diary rehefa mandeha ny fotoana."
Mpikatroka ho an'ny fiteny yorùbá mitolona ho an'ny hamaroam-piteny ety anaty habaka nomerika
Katsahan'i Adéṣinà Ọmọ Yoòbá, nizeriàna mpikatroka mpiaro ny kolontsaina sy fiteny yorùbá, ny hanetsina ny hantsana nomerika sy ara-piteny.
Nataon'ireo mpanao fihetsiketsehana ao Hong Kong ho fonenana vaovao mandritra ny areti-mifindra ny lalao an-tserasera
Mangetaheta ny hidina an-dalambe indray ny mpanao fihetsiketsehana ao Hong Kong. Fa mampiasa ny efijeriny aloha izy ireo mandritra izany fotoana izany.
Ho an'ireo mainty sy indizeny ao Amerika Afovoany, Misy Vidiny Ny ain'ny Mainty (Black Lives Matter)
"Fanavakavahana, rafitra mpanjakazaka sy mpamono, izany no namidin-dry zareo manerana ny tany lazainy ho toerana mendrika honenana indrindra eto an-tany.."
Tsy tarehimarika fotsiny: Takelapahatsiarovana an-tserasera anomezana voninahitra ireo matin'ny COVID-19 tao Brezila
"Afaka fotoana elaela, manomboka very ny tena dikan'ireny tarehimarika ireny fa lasa toy ny tarehimarika amin'ny famantaranora, fampitandremana, na izay rehetra azo sainina ankoatra ny hoe olona. Dia lasa tsy miraharaha isika."