Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Avrily, 2020
Mahazo tohana avy amin'ny Fiangonana Ortôdôksa Rosiana ireo vondrona manohitra ny vaksiny any Balkana
Arovan'ny Fiangonana Ortodoksa Rosiana ny zon'ireo Ray aman-Dreny hisafidy ny tsy hanao vaksiny ny zanany.
Mazan-doha manohy mamono biby marobe atao fanatitra ho an'Andriamanitra ny ao Nepal
Mbola tsy afaka ilay fomba fanao, na teo aza ny antso avo erantany manohitra ny fanaovana sorona biby ao Nepal.
Mahomby amin'ny fanakànana an'ireo media mpandàla an'i Pékin ve ny lalàna manohitra ny fitsofohana an-tsokosoko ao Taïwan ?
Nilaza ireo trano mpamoaka vaovao mpomba an'i Pékin fa mety handao ny tsena ao Taiwan ry zareo ho fanoherany ilay lalàna miady amin'ny fitsofohana an-tsokosoko nataon'i Taiwan
Na an-tsesitany aza, mbola mitoetra anatin'ny pôlitika bôliviàna ny dindon'i Evo Morales
Morales no tondroina ho atidoha ao ambadiky ny fanendrena an'i Luis Arce, ilay minisitry ny toekarena teo aloha, ho solontenan'ny MAS amin'ny fifidianana izay ho filohampirenena ho atao tsy hoe ela.
Trinidad & Tobago: Mpakasary mankalaza ny Andron'ny Tany 2020, miaraka aminà fanamby an-tserasera
"Ezahantsika ny hitazona ireo lohahevitra mamelom-panantenana mba hitazonana ny olona hifantoka sy hampitodika ny ara-tsain'ny olona tsirairay ho any aminà zotra miabo rehefa mampihatra ilay fanajàna elanelana ara-pahasalamana."
Natomboka any Balkans ny hetsika iraisan'ny faritra miady amin'ny fandisoam-baovao
Ahitana mpikambana avy any Makedonia Avaratra, Gresy, Serbia, Kosovo, ary Albania ny tambajotra ary hiara-hiasa amin'ny vondrona hafa mitovy aminy avy amin'ireo firenena hafa mifanila amin'izy ireo.
Lahatsary malaza haingana maneso ny fanandratana an'i Potinina tafahoatra
Nanantona sarintava goavana an'i Potinina tao amin'ny toeram-ponenana marorihana iray tao Moskoa ilay bilaogera rosiana Bashir Dokhov. Avy eo izy nametraka fakantsary handraketana ny fihetsiky ny mponina talanjona nijery izany.
Noteren'ny fitsarana hamoaka ny toe-bolan'ny orina mpanasoa Amerikana ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Hongroà
Nivoaka tao amin'ny dosie ny nitsabahan'i Richard Grenell, talen'ny Sampam-pitsikilovana Amerikana am-perinasa, ao amin'ny orina mpanasoa Hongroa, tranga izay tsy nambara tamin'ny fomba ara-dalàna tany amin'ny Departemantan'ny Fitsarana.