Azerbaijan : Lahatsary Fanentanana Ho Famotsorana An'ireo Mafana Fo Nofonjaina

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2009)

Ny fitazonana vao haingana an'ireo roa mafana fo amin'ny tambajotra sy mpitarika ny hetsiky ny tanora ao Azerbaijan, tamin'ny herinandro lasa teo, dia nampisy fahaketrahana tamin'ireo blaogera sy ireo mafana fo tao anatiny ary tany ivelan'i Azerbaijan, ary ankehitriny, fanentanana lahatsary iray no nalefa mba hiantsoana ny governemanta azeri hihetsika mba hamotsotra an'ireo tomponandraikitra roa avy amin'ny hetsiky ny tanora: Adnan Hajizada sy Emin Milli. [teny anglisy]

Nampahafantatra an'ireo vaovao farany ireo lahatsoratra teo aloha teto amin'ny Global Voices, hatramin'ny fampidirana am-ponja azy ireo ny 8 jolay mikasika ny fanaovana toetrana jiolahimboto, ka hatramin'ireo fihetsiky ny tontolombolongana nanoloana ny fisamborana sy famonjana azy ireo [teny anglisy]. Tantara famintinana mikasika ny fizotran'ny voalaza tamin'ireo fihetsiketsehana no natolotra teo amin'ny pejy Fanohanana an'ireo mafana fon'ny tanora  ao azerbaidjan, izay hahafahana manolotra lahatsary fanohanana [teny anglisy, sahala amin'ireo rohy manaraka]:

Ny 8 jolay, raha toa am-piresahana tamin'ireo namany tao amin'ny toeram-pisakafoanana iray ireo tomponandraikitry ny hetsiky ny  tanora tao Azerbaijan, Adnan Hajizada sy Emin Milli, mpanao fanatanjahantena tsy fantatraniisa roa no nanafika sy nidaroka azy ireo. Vokatr'izay, vaky ny oron'i Adnan ary naratra kosa ny tongotr'i Emin.

Na dia izy ireo ihany aza no nandeha tany amin'ny mpitandro ny filaminana mba hametraka fitarainana noho izy ireo niharam-boina, notazonin'ny mpitandro filaminana ho toy ny olona ahiahiana ry zareo. Navotsotra ireo mpanao fanatanjahantena nanafika azy ireo. Tsy nisy fitsaboana nomena an'i Emin sy Adnan nandritra ny 48 ora. Tsy navela hihaona tamin'ireo mpisolovava azy izy ireo.

Rehefa tapitra ny 48 ora, nambaran'ny tribonaly fa migadra mandritra ny 2 volana i Emin sy Adnan, tsy misy porofo na fandalinana akory. Hitohy ny fanadihadiana mandritra an'ireo roa volana famonjana vonjimaika ireo. Sarintsariny fotsiny ilay fanadihadiana. Sarimihetsika koa ny fihainoana teny amin'ny tribonaly.

Ankehitriny, mitodika amin'izao tontolo izao izahay: Aza ilaozana ny tanora ao Azerbaijan. Tohano izahay. Aza avela hampanginina ny tanora aty Azerbaijan izay miady ho an'ny demokrasia

Eto ambany, inty ny hikiakiak'izy ireo izay alefany amin'ireo blaogera mpandefa lahatsary mba handrafetan'izy ireo lahatsary hitakiana ny famotsorana an'i Adnan sy Emin:

Efa nanaiky an'ity fangatahana ity ireo sasantsasany (isan'ireny ny mpanoratra an'ity lahatsoratra ity) ary nametraka an-ambajotra ny lahatsary fanohanan'izy ireo:

Ireo lahatsary fanampiny, eto

Mba handefasanao indray ny hafatra fanohananao, tsotra fotsiny:

1. Raiso ny fakantsary
2. Lazao ny momba anao: Ny anarako dia…     Izaho dia avy any…
3. Lazao ny hafatra fanohananao an'i Adnan sy Emin
4. Farano amin'izao teny izao ny lahatsarinao: Miantso ny governemanta aho hamarana an'ity tsy zavtra tsy ara-dalàna ity.
5. Apetraho amin'ny tambajotra  ny lahatsary, ao amin'ny YouTube , ambanin'ny lohahevitra “Fanohanana an'i Adnan sy Emin”
6. Alefaso amin'ny ol.azerbaijan@gmail.com io rohy misy lahatsary io

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.