Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Mey, 2022
Maneho ny fanoherana an'i Potinina ny saina vaovao ho an'ireo Rosiana monina any ivelany manameloka ny fanafihana an'i Okraina
Mivondrona eo ambanin'ny sainam-pirenena Rosiana nohavaozina izay ahitana ny fandavana ny imperialisma sy ny herisetra ireo Rosiana monina any ivelany manohitra ny politikan'i Potinina sy ny fananihana an'i Okraina.
Sambany namoaka ny zom-pirenena faharoa ananany ilay bilaogera Ejiptiana voafonja, Alaa Abdelfatah, raha efa saiky ritra ny faharetany
Taorian'ny 3000 andro laniny tany am-ponja hatramin'ireo fikomiana tamin'ny 2011, nanefa sazy dimy taona an-tranomaizina i Alaa tamin'ny 2019 ary nosamborina tamin'ny faramparan'io taona io taorian'ireo fihetsiketsehana manohitra ny governemanta.
Vaovao mendrika atao printy
Amin'izao Andro Manerantany amin'ny Fahalalahan'ny Fanaovan-gazety 2022 izao no anopaza-maso ny anjara toerana lehibe ny fampitam-baovao amin'ny maha-mpiaro ny fahamarinam-baovao azy indrindra fa amin'ny vanim-potoanan'ny krizy.
Pakistàna: Very toerana 12 tao anatin'ny Fandaharana Erantany 2022 momba ny Fahalalahan'ny asa fanaovana gazety
Tatitra iray avy amin'ny fikambanana pakistaney mpiaro zo "Freedom Network" no nampahafantatra fa iharan'ny herisetra, fanenjehana ara-pitsaràna, fakàna an-kery, fitazonana am-ponja ary fandrahonana ireo mpanao gazety any an-toerana, indrindra fa avy amin'ireo mpisehatra ao anatin'ny fitondrana.