Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Novambra, 2012
“La Calle Loíza”, Làlana Manan-tantara Nanita-dàlana Tao Amin'ny Aterineto
Manana fiatoana vaovao ny fitsangatsanganana any amin'ny làlana mikintaontaona indrindra any amin'ny renivohitr'i Porto Rico,San Juan, ka amin'ny aterineto izany. Calle Loíza, any afovoan-tanàna manan-tantara any Santurce, dia fifangaroana trano miloko Karibeana maro maha-te honina sy ny manara-damaody.
Tsy Ahenoam-Baovao Intsony i Syria
Omaly alakamisy, nitatitra ny orinasam-panarahamaso ny fahafaha-miserasera aterineto miorina ao Etazonia antsoina hoe Renesys fa tapaka tanteraka ny aterineto ao Syria, izay “manala tanteraka ny firenena amin'ny aterineto.”
Maoritania: Hetsika 25 Febroary Mitsipaka ny [Fibaikoana] Fanaraha-mason'i Frantsa
Mandalo vanim-potoana ara-politika tsy ahatsinjovana ny ho avy i Maoritania hatramin'ny nandefasana ny filoha Mohamed Ould Abdel Aziz hotsaboina any Paris rehefa naratran'ny tifi-bala izy tamin'ny 13 oktobra 2012. Mifandamina ny ao Maoritania mandra-piveriny...
Espaina: Mihantona Ny Fandroahana Hiala Amin'ny Trano Noho Ny Fanerena Ara-tsosialy
Anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ny Krizy ao Eoropa ity lahatsoratra ity. Fikambanana sy sehatra miady amin'ny fandroahana olona hiala amin'ny trano fonenany no nahomby tamin'ny fahazoan'ny Asociación Española de Banca (Fikambanan'ny...
Mankalaza Ny Andro Iraisam-pirenena Hiadiana Amin'ny Herisetra Atao Amin'ny Tsy Mitovy Amin'ny Tena i Ekoatora
Taminà hetsika ara-kolontsaina maro samihafa no nankalazan'i Ekoatora ny Andro iraisampirenena ho Fanafoanana ny Herisetra atao amin'ny vehivavy. Naneho hevitra mikasika izany koa ireo Ekoatoriana mpisera amin'ny aterineto ka isan'ireny ireo vehivavy marobe manerana ny firenena.
India : Lahatsoratra Facebook Nahatonga Fisamborana
Mahatonga ahiahy ao India (jereo Tatitry ny Global Voices [mg]) ny fihetsehiky ny tao an-tanànan'i Mumbai taorian'ny nahafatesan'i Blasaheb Keshav Thackeray, mpanorina ny Hindou antoko ankavanana ao amin'ny Shiv Sena ao Inda....
Mandoa Hetra Be Lavitra Noho Ny Orinasa Iasany Ve Ireo Zambiana Mpiasa Amin'ny Fitrandrahana Harena Ankibon'ny Tany?
Podcast iray (Taxcast) avy amin'ny tambajotra Tax Justice nomeny lohateny hoe Zambian miners paying more tax than mining company, na "Mandoa hetra betsaka kokoa noho ireo orinasa mpitrandraka harena ankibon'ny tany ireo Zambiana mpitrandraka" no navoaka tety anaty aterineto nanindry fa hoe mandoa be lavitra hetra avy amin'ny karamany ireo mpiasa mpitrandraka harena ankibon'ny tany miohatra amin'ireo hetra fandoan'ny orinasa iasàn-dry zareo.
Maneho An-Tsarintany Ny Fandotoana Ny Ranon'ny Vazimba Teratany Peroviana
Tao amin'ny The Engine Room no nalefa voalohany ity lahatsoratra ity. Niroborobo ny toekarena tao Però noho ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany nahazoana dolara amina miliara. Raha nanomboka tetikasa vaovao ireo mpitrandraka sy...
Trinidad & Tobago: Rahona Mainty, Medaly Volamena
Nilona tao anatin'ny riaka mahery vaika sy tondradrano omaly maraina i Trinidad sy Tobago. Nihoatra ny moron'ny reniranon'i Diego Martin sy Maraval vokatry ny rivo-doza. Fa somary nihiratra kely ny sain'ny vahoaka tao amin'ny firenena - eny na dia fotoana monja fotsiny aza izany - satria nandrombaka ny medaly volamena io firenena io tamin'ny lalao Olympique ary faharoa izao teo amin'ny tantara izay isaorana manokana an'i Keshorn Walcott nohon'ny ezaka nataony teo amin'ny fanipazana lefona.
Tetikasa Anaty Aterineto Hanaraha-maso Ny Toetry Ny Làlana Any Rosia
Fomba fanaraha-maso ny toetry ny làlana sy ny fampanaraham-penitra azy amin’ireo lamina farany napetraky ny governemanta ny tetikasa "RosYama". Na iza na iza mahita làlana tsy manaraka ireo fenitra ireo dia afaka mampiasa ny tolotra RosYama.