Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Aogositra, 2021
LIVE amin'ny 25 Aogositra (amin'ny teny espaniola): Ahoana ny nampielezan'ny COVID-19 ny hetsi-panoherana any Cuba, Guatemala ary Colombia
Hatrany Cuba ka hatrany Colombia sy Guatemala—firenena samy manana ny toe-draharaha politikany—nidina an-dalambe tao ho ao ny vahoaka mitaky fiovana. Inona ny zavatra iraisan'ireo firenena ireo?
Nopetahan'ny fitsarana Belarus ho “extremiste” ny seha-mpampitam-baovao mahaleotena Tut.by, Zerkalo.io
Ny didy dia mihatra amin'ny singam-botoaty tsirairay ao amin'ny tranonkala, sy ny votoaty rehetra naranty tao amin'ny fantsona media sosialiny.
Belarosiana mpikatroka nanjavona hita faty tany Okraina
Nandao an'i Belarus i Shyshou tamin'ny mihintsan-dravina 2020 noho ny tahotra hohenjehin'ny fanjakana, ary nanorina sy namelona ny Trano Belarosiana ao Okraina (BDU), fikambanana iray tsy mitady tombombarotra manohana ireo olompirenena Belarosiana mandositra ny fanenjehan'ny fitondrana ao Belarus.
Nobahanan'ny mpanao sivana aterineto Rosiana ny tranonkalan'ny Ekipa Navalny
Nampiana ho ao anatin'ny lisitry ny tranonkala voabahana ao Rosia miaraka amin'ireo tranonkalan-tambajotram-pirenena ao amin'ny biraom-panentanana ho an'i Navalny miisa 40 hafa ny tranonkala fototra, navalny.com, sy ny free.navalny.com.
Enintaona ny #NiUnaMenos: Ireo fandresena sy fitakiana vaovao an'ny hetsika feminista ao Arzantina
Nahombiazana ary nametraka andiam-pitakiana vaovao ireo fikambanana feminista mihoatra ny 200 ao Arzantina notarihan'ny Ni Una Menos hatramin'ny nanaovany hetsi-panoherana voalohany tamin'ny taona 2015.