Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Septambra, 2021
Mamelona indray ny teny Cree sy Ojibwe an'i Manitoba miaraka amin'ny TikTok
Mamorona horonan-tsary mahafinaritra amin'ny fitenin'izy ireo i Sharissa Neault sy Noa Malazdrewicz mba hanampiana ireo tanora vazimba teratany mieritreritra fa very ny kolontsainy sy ny fiteniny mba hifandray amin'izy ireo.
Rosia: Voasakana ilay tranonkala malaza noho ny fitarainan'ny mpiasa
Nosakanan'ny mpanakana ny Antijob, angondrakitra an-tserasera misy ireo fitarainana tsy mitonona anarana momba ireo Rosiana mpampiasa, taorian'ny raharaha fanalam-baraka nanaovan'ny orinasa mpivarotra trano sy tany iray ao Moskoa fitarainana.
Any Torkia, mpitarika fivavahana manatevin-daharana ny antso hisian'ny sivana amin'ny tambajotra sosialy
Nanolo-kevitra ny fampiasana ny didy fakan-tahaka islamika ny filohan'ny Mpitantana ny Raharaha Fivavahana any Torkia,Ali Erbas, hifehezana ny sehatry ny tambajotra sosialy.
Milaza tsy hiasa ao Rosia intsony ny vondrona famoahan-gazety fanadihadiana OCCRP
Nilaza i Drew Sullivan, mpiara-manorina sady lehiben'ny fanoratana OCCRP, fa "manimba kokoa fa tsy manasoa" ireo mpitati-baovao ao Rosia ny asan-dry zareo ao anatin'ny faritra rosiana.
Fandrodanana ny fanjakazakan-dehilahy: Maneho hevitra amin'ny alàlan'ny TikTok ireo transfeminista sy ny Boliviana sady tsy lahy no vavy
Manantena ny “hanenika” ny habaka an-tserasera ny La Pesada Subversiva amin'ny votoaty fitakiana manohitra ny fanjakazakan-dehilahy avy amin'ny feon'ireo mpandray anjara fototra.
Taorian'ny namonoan'ny lehilahy koetiàna iray ny vehivavy iray tao amin'ny fianakaviany, nohavaozina ireo antso hisian'ny fiarovan'ny governemanta
Angatahan'ireo mpikatroka ny hanomezana fialofana ho an'ireo vehivavy miatrika herisetra an-tokantrano, ary hanafoanana ny andininy faha-153 ao anatin'ny didy famaizana ao Koety, izay manalefaka ny heloka natao hiarovana voninahitra.
Bilaogera voaheloka higadra noho ny fanamarihana ny politikan'ny teny ao Kazakhstan ho “tsy tia Rosiana”
Araka ny voalazan'i Taichibekov, “nikaroka ireo olona Rosiana izay manohana ny fanakanana ny fahitalavitra Rosiana, mandràra ny fiteny Rosiana, sy ny fanalana azy amin'ny Lalàmpanorenana” ny fanjakana Kazakh."