Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Aogositra, 2019
Jordania: Ny fifandraisana ao Gaza
Raha mbola manohy ny fanafihany an'i Gaza ny Israeliana, mandeha mihoatra noho ny fanamelohana ny herisetra ireo bilaogera Jordaniana ary mamadika ny tenin'izy ireo sy ny fihetseham-pon'izy ireo ho asa mivaingana. Fanentanana Komity 7iber/Action manangona ireo fanomezana ankoatra izay nomanin'ny mpikarakara azy.
Palestina: miantso mifananihany amin'ny tafika israeliana
Miaraka amin'ny balafomanga sy baomba, andrarahana taratasy kely (flyer) ny Palestiniana ao Gaza, izay mangataka azy ireo mba hamono ireo mpikomy Hamas sy handositra ny tranon'izy ireo.
Niteraka adihevitra momba ny fanehoan-kevitra malalaka ny fanamelohana ilay mpanentana amin'ny tambajotra sosialy Tiorka
Miatrika fiampangana ny olo-malaza Tiorka iray ao amin'ny Twitter noho ny fandrisihana ny fandraisana zava-mahadomelina ary niteraka adihevitra momba ny fahalalaham-pitenenana an-tserasera.
Palestina: Niteraka fanehoan-kevitra teo amin'ireo bilaogera ny daroka an'habakabaka Israeliana (2008)
Taorian'ny fiafaràn'ny fampitsaharana ady teo amin'i Israely sy ny Hamas, dia nitombo ny herisetra sy ny fifandonana teo amin'i Israely sy i Gaza. Namely an'i Gaza i Isiraely tamin'ny daroka an'habakabaka nahafatesana 210 ary mihamitombo izany isan'ny maty ao Gaza izany.
Ejypta: Bilaogera miresaka momba ireo “Zanakalahin'ny Ziona”
Mety hoe nijanona tsy nianjera ny baomba tao Gaza, saingy mbola mitohy ny ady an-tserasera goavana, amin'ireo bilaogera amin'ny andaniny sy ankilany manetsiketsika ny vondrony mba 'hanongotra' ny fisian'ny hafa - farafaharatsiny ao amin'ny aterineto. Bilaogera Ejiptiana roapolo mahery no manambana ady amin'ny tafika bilaogera Israeliana.