Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Desambra, 2019
“SlowMov” : tetikasa sôsialy manome dika iray hafa ny fotoana
Mitompo indray ny fotoana mba hanomezana dikany azy. Mikaroka indray ny hasambarana amin'ny alàlan'ny fandehanana miadana sy fomba fiaina iray madio kokoa. Ny SlowMov dia maka ho tanjony ny fampifandraisana ny olona amin'ny fiainana tsara sy mendrika kokoa.
Tetezana mampitohy an'i Krimea sy Rosia, tsy mbola misy akory dia efa manana kaonty Instagram
Mitondra zavatra iray fanampiny amin'ny fifandraisana ety anaty media sôsialy ho an'ny asa fanorenana tetezana iray ny saka, indrindra fa ho entina mamilivily ny saina tsy ho any amin'ireo fahataràna sy ny halafony.
Zazavavy 11 taona nanomboka fanangonantsonia fitakiana ny fialàn'ny filoha meksikàna
Zazavavy meksikàna iray, 11 taona, nanapaka hevitra ny hanao fanangonantsonia hitakiana ny fametraham-pialàn'ny filoham-pireneny, Enrique Peña Nieto, noho izy tsy niraharaha ny fanjavonan'ireo 43 mpiofana ho mpampianatra .
Mpanoratra Breziliana manasongadina ireo tantaran'ny mainty ao amin'ny Twitter
Nanjary fihetseham-po tamin'ny aterineto i Ale Santos tamin'ny fitantarana ireo zava-nitranga mana-tantara sy olo-malaza tsy dia fantatra tao amin'ny Twitter.
Manempotra ny renivohitr'i India ny mololo mirehitra sy ireo renirano maloto
Tamin'ity taona ity, miatrika krizy henjan'ny loto ny faritry ny renivohitra nasionaly Indiana satria tsy voafehy intsony ny zavona manempotra ary mandrakotra ny renirano Yamuna, izay efa tena maloto loatra, ny roatra misy poizina.
Kôlômbia, tantara an-tsary iray miresaka ny fanarahamaso sy ny miralenta, manaraka ny gadona salsa
María Juliana Soto, mpamorona ny tantara an-tsary nomerika « Tour Delirio : Salsa y Vigilancia », niresaka tamin'ny Global Voices momba ny miralenta sy ny fanarahamaso ao Amerika Latina
Andao hikarajia Twitter amin'ny #WritingTowardFreedom an'ny Global Voices amin'ny 11 desambra 2019
Ahoana ny mahalasa fandrahonana ny fahalalaham-pitenenana antserasera eto Afrika ny kabary fankahalana foko, ny fahadisoana sy ny fandisoam-baovao, ny fandotoan-drindrina ataon'ny governemanta? Miaraha aminay amin'ity adihevitra ity ao amin'ny karajia Twitter.
Mpaka tàhaka an'i Greta Thunberg niantso an-telefaona niezaka hamandrika ny Praiminisitra Makedoniàna
'Fanafihana mifangaro' no ilazan'ny governemanta azy