Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Septambra, 2018
Ejipta: Taratasy Iray Vaovao An'ny Blaogera Voafonja, Blaogera Roa Nafahana, Nanjary Nalaza Be Ireo Fiarahana Manao Blaogy
Tao anatin'ny fanangonana an'ireo blaogy Ejiptiana tamin'ity herinandro ity: mandefa taratasy iray hafa avy ao am-ponja i Karim Amer, blaogera voafonja, maneho ny maha irery azy sy ny fihetsehampony mikasika ny tsy rariny, navotsotra avokoa ireo blaogera voasambotra tamin'ity herinandro ity, sarimihetsika tao amin'ny foiben'ny antoko Al-Ghad, ary ny lazan'ny zava-misy amin'ny fiarahana manao blaogy ao Ejipta.
Olom-pirenena Nepaley miady amin'ny tsifisaziana amin'ny alalan'ny fanentanana “Hatezerana manoloana ny fanolanana”
"...inona no mitranga amin'ireo tovovavy mijaly am-pahanginana? Hilalao politika tsy mahomby foana ve isika sa hanatsara ny rafi-pitsarana?"
Egypta: Veloma ry hafatry ny Twitter
Nifoha tamin'ny vaovao mampalahelo i Egypta fa tsy mandefa hafatra miainga amin'ny SMS any amin'ny firenena vitsivitsy intsony ny Twitter, anisan'izany i Egypta.
Manome tolotra finday sy aterineto amin'ny alalan'ny zanabolana ny tambajotram-pifandraisandavitry ny Indizeny ao Meksika
Hanitatra ny tolony amin'ny alalan'ny teknolojian'ny zanabolana mba ahafahany mahatratra ny faritra lavitra indrindra ny tambajotram-pifandraisandavitra voalohany manome ny tolotra finday sy Aterineto any amin'ny faritra ambanivohitra misy ny vondrom-piarahamonina ao Meksika.
Lahatsary: Andron'ny Zon'Olombelona sy ny Tsy Fanavakahana
Andron'ny Zon'Olombelona ny 10 Desambra , ny tsy fanavakavahana no lohahevitra amin'ity taona ity, ankehitriny dia mitondra fifantenana vitsivitsy ho anareo amin'ireo horonantsary sasany nataon'ny olona sy nampidirina antserasera mba hanohanana ity zon'olombelona ity izahay.
Egypta: Wikimania 2008 | Alexandria
Nosafidian'ny mpitsara Wikimania ho mpandresy manoloana ireo mpifaninana miavaka roa hafa, Atlanta sy Cape Town i Alexandria.
Mpanoratra asongadina : Eman AbdElRahman
Ny mpandray anjara Egyptiana ato amin'ny Global Voices i Eman AbdElRahman, fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe Lasto Adri, mavitrika amin'ny tetikasa antsoina hoe Kolena Laila izay natolony tao amin'ny Fihaonamben'ny Bilaogera Arabo Faharoa tany Beirota, Libanona.
Mpanoratra asongadina: Lina Ben Mhenni
Bilaogera Toniziana i Lina Ben Mhenni ary nanoratra momba ny tontolon'ny bilaogy Toniziana tato amin'ny Global Voices izy. Mpikatroka nampiasa ny aterineto ihany koa izy mba hanaovana fanentanana momba ny raharahan'ilay mpianatra nogadraina.
Miezaka miady amin'ny fanohintohinana ny mpiseran'ny media sosialy ao Pakistan — fa hanao ny anjarany ve ny andrim-panjakana?
Famantarana tsara ny fisamborana an'i Aimal taorian'ny tabatabam-bahoaka tao amin'ny media sosialy. Nefa amin'ity tranga ity, mbola mitoetra ny fanontaniana: hanjaka ve ny rariny?
Tatitry Ny Mpisera Amin'ny Aterineto : Inona No Andraikitry Ny Facebook Amin'ny Ady An-trano Ao Libia ?
Manome topimaso iraisam-pirenena momba ireo fanamby, fandresena ary fironana vaovao momba ny zon'ny aterineto manerana izao tontolo izao ny Tatitry Mpisera avy amin'ny Advox.