Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Septambra, 2016
Manao Famoriam-bahoaka Hiaro Ny Biraon'ny Mpampanoa Lalàna Manokana ny ‘Revolisiona Maroloko’ Makedoniana
Nanambara fihetsiketsehana vaovao nokasaina atao eo anoloan'ny tranoben'ny parlemanta ao Skopje tamin'ny Alatsinainy 28 Septambra ireo mpitarika ao amin'ny "Revolisiona Maroloko", ho fanohanana ny Biraon'ny Mpampanoa lalàna Manokana (SPO).
Ny Herinandro Teto Amin'ny Global Voices Podcast: Izahay, Vahoaka
Amin'ity herinandro ity, mitafa amin'ireo mpiaramiasa aminay izahay: Elizabeth Rivera, Giovanna Salazar sy Juan Tadeo momba ny fahasorenan'ny vahoaka amin'ny politika ao Meksika
Voasorok'i Emirà Arabo Mitambatra Ny Lohataona Arabo Tamin'ny Fanenjehana Tsy Ankiato Ireo Mpitsikera

Noho ny fanahiana amin'ny mety isian'ny fitroarana mitovy endrika amin'ny lohataona arabo ao anatin'ny sisintaniny, dia nanomboka famoretana ireo mpitsikera sy mpikatroka, tsy mbola nisy toy izany ny governemantan'i Emirà Arabo Mitambatra.
Manohana ny Lalàna Mandràra ny Fanalan-jaza Ny Mpanao Lalàna Poloney, Lalàna Lazain'ny Mpitsikera Fa “Afobe Ho An'ny Vehivavy”
Mitohy ny hetsika "Fihetsiketsehana Mainty" ao Polonina, izay manohitra ny volavolan-dalàna mandrara ny fanalan-jaza ary mety hampiditra am-ponja ny vehivavy manala zaza sy ny dokotera manatontosa ny fanalan-jaza.
Ny Fampiasàna Ny Tenifototra Ao Anaty Firenena Iray Mikatsaka Fandriampahalemana
"Ny zavamisy hoe mitranga koa any anaty media sosialy ny ady ao Kolombia dia fahamarinana tsy azo lavina," hoy Renata Cabrales.
Jereo ny Lahatsarim-Panadihadiana Miresaka ny Fiantraikan'ny Fikorontanan'ny Toetrandro Amin'ny Fiainana Andavanandron'ny Vazimba Teratanin'i Xingu
Nahazo loka tamin'ireo fetibe iraisampirenena, asehon'ny lahatsary fohy ny fiovam-piainana ateraky ny fikorontanan'ny toetrandro teo amin'ny fiainana andavanandron'ny Vazimba Teratanin'ny Valan'i Xingu.
Niakanjo Mainty Ny Poloney Hanoherana Ny Volavolan-dalàna Manasazy Ny Fanalan-jaza
Poloney an'arivony no nizara ny sarin'izy ireo miankanjo mainty hanoherana ny lalàna manameloka ny karazana fanalan-jaza sy hanohitra ny fanamafisana ny sazy efa henjana ao amin'ny lalàna manohitra ny fanalan-jaza ao amin'ny firenena.
Filoha Ganeana, Manome Toky Tsy Hanapaka Ny Media Sosialy Mandritry Ny Fifidianana

Nanome toky ny firenena ny Filoha Ganeana, John Mahama, fa tsy hisy fanakatonana media sosialy mandritra ireo fifidianana hatao amin'ny 7 Desambra.
Septambra Izao, Izay Midika Fa Fotoan'ny Andron'ny Fahalalahan'ny Rindrambaiko

Mampiasa rindrambaiko maimaimpoana sy ampiasàna loharano misokatra ve ianao?
Noravan'ny Manampahefanan'i Skopje Ny Tranon'ireo Fianakaviana Roma’, Ary Tsy Noraharahiana Avy Eo Ny Manjò Azy Ireo
Nandroaka fianakaviana Roma 31 ahitana ankizy tao amin'ny toeram-ponenana iray ambanin'ny Mandan'i Kale iray mandritra ny vanin-taona mafana Kale ny fiadidiana ny tanànan'i Skopje renivohitra ao Makedonia. Tsy vitany hoe noravan'ireo manam-pahefana ny tranon'izy ireo fa tsy nahazo fanohanana araka ny tokony ho izy ihany koa.