Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Janoary, 2015
Tandindonin-doza Noho Ny Fisian'ny Solika Mainty Ny Sundarbans Any Bangladesh
Mitaky ny fandraisan'ny governemanta fepetra matanjaka ireo mpanao fihetsiketsehana. Na eo aza izany, rehefa tsy misy fepetra mahomby raisin'ny governemanta dia tsy maintsy mbola hiantehitra amin'ny vondrom-piarahamonina sy ireo mpilatsaka an-tsitrapo ihany i Bangladesh amin'ity olan'ny tontolo iainana ity.
Maro Lavitra Noho ny Lalao Baolina Kitra Ny Nalaza Tao Brezily Tamin'ny Taona 2014
Misy ihany koa ny oroka pelaka hita amin'ny tantara mitohy amin'ny fahitalavitra, ny adihevitra manoloana ny fahavakavahambolonkoditra sy ny fitsaram-bahoaka, hita tao amin'ity firenena lehibe indrindra ao Amerika Latina ity tamin'ny 2014 ihany koa ireo.
Avotsotry Ny Filoha Venezoelana Ny Mpitarika Ny Mpanohitra Raha Afahan'i Etazonia i Oscar López Rivera
Any Am-ponjan'i Etazonia 33 taona izao ilay Poerto Rikana Oscar López Rivera. Antsoina ho gadra politika voatazona ela indrindra ao amin'ny Ilabolantany Andrefana izy.
Tsikerain'ny Indiana Mpiserasera Ny Sivana Mihatra Amin'ny Vontoaty “”Jihadista”

Nampiaka-peo manohitra ny sivana ataon'ny governemanta amin'ny Github, Internet Archive, Vimeo, Sourceforge sy ny habaka malaza hafa ny Indiana mpiserasera.
Mamorona Jingles Fanao Amin'ny Radio ny Tanora Breziliana Hampiroboroboana Ny Fampandrosoana Lovain-jafy ao Amazonia

Mandray andraikitra amin'ny alalan'ny tetikasa radio ny tanora ao amin'ny fiarahamonin'i Amazonia Breziliana, Cabelo Seco tohanan'ny Rising Voices, mba hampiroborobo ny fampandrosoana maharitra amin'ny alalan'ny fitaovana nentim-paharazana, nomerika sy zava-baovao.
Mpifankatian'ny Afovoany Atsinanana, Mitambara!
Nanomboka nanangona tantaram-pitiavana 100 avy ao amin'ny faritra Afovoany Atsinana ireo mpifankatia roa mba hampiseho amin'izao tontolo izao fa nitondra fiovana ara-tsosialy miavaka ny Lohataona Arabo.