Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Janoary, 2021
Drafitr'i Googla hametraka Cloud any Arabia Saodita, “zavadoza” hoy ireo vondrona mpiaro zo nomerika
"Miaraka amin'ny angondrakitra tahiriziny ao Arabia Saodita, kely ny zoro hahafahan'ny Google sy Snap hanohitra izay fangatahan'ny governemanta Saodiana hahazo ny torohay manokanan'ireo mpampiasa tambajotra"
Hetsi-panoherana manoloana ny setriny ataon'i Nepal amin'ny ady amin'ny COVID-19 ataon'ny tanoralahy iray
Natsangan'i Iih, Nepaley mpikatroka, ny hetsika ara-piarahamonina iray, ary nandeha 167 km izy hanintonana ny fifantohana amin'ny tsy fetezan'ny setriny ataon'i Nepal manoloana ny valan'aretina -- sy nanampy ireo izay niantraikàny mafy.
Ny 29 Janoary, miaraha mivantana aminay amin'ny ‘The Milk Tea Alliance: Tolona iraisan'i Thailand, Taiwan sy Hong Kong hisian'ny demaokrasia’
Tongava hiaraka aminay ao anatin'ny adihevitra iray mavitribitrika momba ny fiantraikan'ny hetsika iraisan'ny firenena roa na vitsivitsy, itambaran'ireo firenena ao Azia mitolona hisian'ny demaokrasia
Mpianatra voasambotra tany Balochistan noho ny fitakiana ny fahazoana miditra amin'ny aterineto
Nanaovana herisetra, novelesina kibay ary nosamborina tao Quetta, Balochistan ny mpianatra maromaro noho ny fihetsiketsehana manohitra ny tsy fisian'ny aterineto taorian'ny niovan'ny fampianaran'izy ireo ho ampitain-davitra vokatry ny fepetran'ny COVID-19.
Te hianatra hanozona toy ny Rosiana? Misy kaonty Instagram natokana ho an'izany.
Rosiana iray mpanao gazety sy Kanadiàna artista mpanao hatsikana sy sarimiaina no niara-niasa hamorona rakibolana an-tserasera amin'ny teny rosiana-anglisy, mankalaza ny haren'ny fitenenana ratsy Rosiana ao amin'ny Instagram.
Tontolo Arabo: “Tsy miteny hoe Israely intsony izahay…”
Nahoraka be tamin'ny hetsika manerana ny tontolo Arabo ny hafatra iray tao amin'ny Twitter miantso ny Arabo hitsahatra hanonona hoe Israely nandritra ny fihodinana farany tamin'ny ady an-tserasera taorian'ny fanapoahan'ny Israeliana baomba an'i Gaza. Mitatitra avy eny ifotony i Anas Qetyh.
Tamberina 2020: Ahoana ny nahatonga ny voina nateraky ny COVID-19 ho lasa tantaram-pahombiazan'ny maodely shinoa
Niandoha tamin'ny alalan'ny fiparitahan'ny COVID-19 tao Wuhan ny taona 2020. COVID-19 no lohahevitra be mpiresaka indrindra nandritra ny taona tao amin'ny media sosialy shinoa.
Andro manerantany iadiana amin'ny SIDA 2020: Ahoana ny fomba niatrehan'i Karaiba ny VIH nandritra ny COVID-19 ?
Asa fivelomana voarahona, rojom-pamatsiana voatohitohina, fikarakarana ara-pahasalamana miovaova izay nisy fiantraikany teo amin'ny fahazoana fitsaboana, ireo no fanamby atrehan'ny olona miaina miaraka amin'ny otrikaretina VIH/SIDA ao amin'ny faritra, ary tsy maintsy iainana miaraka amin'ny COVID-19