Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Oktobra, 2021
Takela-by manesoeso mamely ny fijoro marefon'ny governemanta Aostraliana amin'ny fiovan'ny toetr'andro amin'ny COP26 any Glasgow
"Ihomehezan'izy ireo isika ao amin'ny Times Square, araka ny tokony ho izy: vazivazy lehibe indrindra eto an-tany ny valintenintsika momba ny fiovaovan'ny toetrandro.
Mihevitra lalàna vaovao hanakanana ny tambajotra sosialy i Kazakhstan
Natao hanakanana ny asa ataon'ny orinasan'ny tambajotra sosialy ao Kazakhstan ny fanitsiana lalàna vaovao. Mety hanamafy ny fitsikilovana ataon'ny governemanta ilay famerana nolazaina fa natao hiarovana ny zon'ny ankizy,
Tatitra vaovao momba ny fironan'ny fahalalahan'ny aterineto manerantany any Torkia sy Kaokazy atsimo
Raha "misy fahalalahana" ny laharana misy an'i Zeorzia sy i Armenia tamin'ny tatitra tamin'ity taona ity, i Torkia sy i Azerbaijan kosa dia mitana ny laharana "tsy misy fahalalahana" noho ny rivo-piainana sarotra manodidina ny zo nomerika (ankihy) sy ny fahalalahana.
Nihabetsaka ny fanentanana hametaka ny mpanao gazety sy ny fampitam-baovao rosiana ho ‘kasinga vahiny’ taorian'ny fifidianana
Sady mpiantraika mivantana no tena manahirana tokoa ny fiantraikan'ny fehezan-dalàna misahana ny 'kasinga vahiny' ao Rosia amelezana fampitam-baovao sy firaisamonim-pirenena. Tondroina ho 'fahavalom-bahoaka' ry zareo amin'izao fotoana izao.
Nahoana i Twitter nanohana ny #EndSARS ao Nigeria fa tsy nanohana ny #FixTheCountry ao Ghana?
Na dia tsy mazava aza ny antony, ny hetsika ataon'ny Twitter dia ahafahana mihevitra fa tsy te-hiditra ao anatin'ny raharaha politika ao Ghana tahaka izay ataony ao Nigeria izy, eny fa na dia midika ho tsy fiarovana ny zo ankihin'olompirenena aza izany.
Mangataka fanafahana ilay mpikatroka Alaa Abd El Fattah ny mpanohana
Niresaka ny fihenan'ny fahasalaman'ny sain'i Abd El Fattah ny mpisolovava azy ary nanatsonga ny teniny fa "tsy afa-manohy aho."
Ny aorian'ny #EndSARS: Ny fandraràna ny Twitter sy ny dikan'izany ho an'ny tanora Nizeriana
Nanaporofo feno ny vaikan'ny media sosialy raha ampiasaina hanandratana ny feo ny hetsika nanerana ny firenena #EndSARS hanoherana ny herisetran'ny polisy, hetsika iray izay toy ny tadio tao amin'ny firenena tamin'ny volana Oktobra 2020.