· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Avrily, 2019

Koety: Navotsotra ilay bilaogera nogadraina

Taorian'ny tabataba teo an-toerana sy avy any amin'ny faritra, navotsotra tany Koety androany vao maraina ilay bilaogera Koesiana Bashar Al-Sayegh. Raha nankalaza ny famotsorana azy ny bilaogera sasany, ny hafa kosa nampitandrina fa mety ho marika faneriterena bebe kokoa izay mety hampihenana ny fahalalaham-pitenenana ao Koety izany.

Sina: Voatohitohina Ilay Rindrinafo Goavana

  22 Avrily 2019

Naka nanaraka azy ilay filàna hanivan-tena mba hahatafavoahana velona ny fahataperan'ny Rivopanovàna Ara-kolontsaina tao Sina telopolo taona lasa izay. Raha toa ka efa afaka miresaka malalaka tsara ireo Sinoa —zo iray arovan'ny lalàmpanorenana Sinoa— mbola misy foana ireo andiam-pitsipika sy fenitra tsy voasoratra hamaritana ny fotoana sy ny tranga mahatafiditra ny mpanatrika.

Bilaogeran'ny herinandro: Salam Adil

Taorian'ny lahatsoratra 90 nivoaka ara-potoana ao amin'ny Global Voices, dia nanjary fantatry ny rehetra ny fiangavian'i Salam Adil: Raha tsy mamaky lahatsoratra hafa ianao amin'ity herinandro ity, dia vakio ity. Bilaogera nanomboka tamin'ny volana Mey 2005, nanatevin-daharana ny GV niaraka tamin'i Iràka i Salam tamin'ny fiandohan'ny taona 2006.