Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Aogositra, 2016
Vetaveta, Fivarotan-tena, Na Fahafatesana: Ny Maha-Sarindahy Na Sarimbavy Ao Khyber Pakhtunkhwa Any Pakistana
"Fantatray ny zonay ary hijoro izahay hitaky izany. Vao fanombohana fotsiny ireo. Hetsika iray izahay, mpiady 'mavokely'. Tsy misy mihemotra."
Avelan'ny Fitantavanan'ny Snapchat Mitantara Amin'ny Fomba Miafina Ny Nahazo Azy Ireo Lasibatry Ny Herisetra Ara-nofo Ao India
"Midera ilay tonian-dahatsoratra amin'ny finday ao amin'ny HT (Hindustan Times), Yusuf Omar noho ny fanovana zava-baovao tsy dia zava-dehibe ho fitaovana mahery vaika.."
Te Hankalaza Ny Fetin'ny Bilaogy Ve Ianao? Ndao Ary Ho Any Paragoay!
Ny 31 Aogositra no ankalazaina ny fetin'ny bilaogy maneran-tany , ary mankalaza izany amin'ny fomba lehibe i Paragoay . Fantaro ny zavatra efa nomanin'ireo vondron'olona mpankafy bilaogy sy ny kolontsaina nomerika ao Asuncion .
Ady Sarotra Ho An'ireo Vehivavy Karibeana Ny Fiarovana Ny Fitovian-jon'ny Vehivavy Sy Lehilahy
Sarotra ny fitsanganana miady ho an'ireo zon'ny vehivavy raha tsy mahantra, mainty, na voahilikilika. Misy bilaogy iray hiresaka ho an'ireo vehivavy Karibeana amin'ilay Karajian'ny Feminisma Mainty ho avy izao any Brezila.
Nahangona Sonia Hatramin'ny 1 Hetsy Ny Fanangonantsonia Amin'ny Tambajotra Manohitra Ireo Lalàna Jadona Fampitsaharana Ny Fampihorohoroana Ao Rosia

Naneho ny firaisankinany tamin'ireo FAI rosiana sy ireo mpanjifa ny tolotra amin'ny finday ireo nanao rangopohy tamin'ny tambajotra, izay nilaza fa ireo lalàna Yarovaya dia sady mamotika ny orinasa mpamokatra aterineto no mamotika ihany koa ireo mpampiasa ny RuNet.
Nanomboka Tao India Ny Fihaonamben'ny Wikimedia Azia Atsimo

Nanomboka tamin'ny 5 Aogositra tao Landran, fanjakana Indiana ao Punjab ny Fihaonamben'ny Wiki India 2016, fihaonana goavana indrindra iarahan'ireo mpandray anjara ao amin'ny Wikipedia (Rakipahalalana antserasera ahitana fiteny maro) sy ny tetikasa iray tampò aminy antsoina hoe tetikasa Wikimedia.
Ry Mpikatroka Malala Ao Hong Kong, Mba Atsaharo Azafady Ny Filazana Amin'ny Rehetra Hoe Azo Antoka Ny “Telegram”

Raha mandeha manerana ny Nosy Hong Kong izahay, mihiaka izao ireo feo amin'ny fanamafisam-peo, “ampidiro ny Telegram, azo antoka noho ny WhatsApp io!” Fa tsy azo antoka kokoa noho ny Whatsapp ny Telegram-- ratsy kokoa amin'ny lafiny maro aza io.
Lahatsary Fanadihadiana Mampiseho Ireo Mpianatra Makedoniana Miaina Anaty Trano Ratsy Na dia Teo Aza Ny Fampanantenan'ny Governemanta
"Sary isan'andron'ny mpianatra tsy avy ao an-drenivohitra sy tsy manam-bola handoavana hofa-trano ity horonantsary ity."