· Novambra, 2017

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Novambra, 2017

Maraoka: Nogadraina Ilay Mpankafy Barça Raha Nanoratra Hoe “Andriamanitra, Tanindrazana, Barça”

Maro ireo bilaogera no gaga raha nahafantatra fa voaheloka higadra 18 volana  ny tanora Marokana iray noho ny heloka madinika. Ilay zatovolahy, mpankafy Barça, dia voalaza fa nanoratra hoe "Andriamanitra, Tanindrazana, Barça" teo amin'ny solaitrabe tao an-dakilasiny . Ny teny filamatra ao Maraoka dia hoe "Andriamanitra, Tanindrazana, Mpanjaka".

27 Novambra 2017

Egypta : 89 Isanjaton'ny Tanora No Manohana ny Sivana an'Aterineto

Sivy amby valopolo isanjaton'ny tanora Egyptiana, ankizivavy na ankizilahy no milaza fa manohana ny sivana amin'ny aterineto, araka ny fanadihadiana vao haingana. Mizara ireo tarehimarika ireo ny Bloggers Times izay nalaina  tao amin'ny Vavahadin-tseraseran'ny Ivontoerana Egyptiana momba ny Fampahalalam-baovao sy ny Fanampiana amin'ny Fanapahan-kevitry ny Governemanta, sampan-draharaha ofisialin'ny Fanjakana Egyptiana

25 Novambra 2017

Meksika-Etazonia: Lahatsary Avy Amin'ny Andaniny sy Ankilan'ny Sisintany

Frontera Filmmakers dia tranonkala mampivondrona ireo mpamokatra horonantsary avy amin'ny andaniny sy ankilan'ny sisintanin'i Meksika sy Etazonia, izay mirefy  625 kilaometatra manelanelana an'i Arizona sy ny tany efitra Sonoran, ary mampiseho ny hetsiky ny olom-pirenena isankarazany. Ireto misy lahatsary miisa telo izay anisan'ireo atolotry ny tranonkala.

19 Novambra 2017