· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Oktobra, 2017

Bilaogy Sy Labiera Miaraka Amin'i David De Ugarte

Nitsidika an'i Shily i David De Ugarte (ES), bilaogera malaza iray ao amin'ny tontolon'ny bilaogy teny Espaniola . Izy no mpanorina ny Las Indias Electrónicas (ES) sady mpamorona ny Cyberpunk (ES). Alina vitsy lasa izay, nizara fotoana niaraka tamin'ireo bilaogera Shiliana tamin'ny fanasana malalaka i David, mba hahafahan'ny rehetra manatrika izany.

28 Oktobra 2017

Kambodza: ​​Mpitantara Antserasera Vaovao 

Araka ny tatitry ny fikarohana iray navoakan'ny Pew Internet vao haingana, tsy mihevitra ny tenany ho mpanao gazety ny ankamaroan'ny bilaogera antserasera . Matetika tsy mahavita ny vitan'ny mpanao gazety izy ireo. Ahitana ireo andian'antsafa maromaro nataon'ireo olom-pirenena nomerika izay manao ny asan'ny fampitam-baovaon'olom-pirenena ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Kambodziana.

26 Oktobra 2017

Iran: Misaona An'ireo Namoy ny Ainy Tamin'ny Fihetsiketsehana

Iraniana an'arivony no nivory tao amin'ny fasana iombonana Behesht Zahra tany Teheran tamin'ny Alakamisy mba hahatsiaro an'i Neda Agha-Soltani sy ireo niharam-boina tamin'ny hetsi-panoherana. Am-polony ireo namoy ny ainy ary an-jatony no nogadraina nandritra ny hetsi-panoherana nanomboka tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny volana Jona.

22 Oktobra 2017