Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Oktobra, 2018
Shina: Tsy misy mpisolovava ho an'i Hao Wu
(2006) Tsy navela haka mpisolovava i Haozi, ilay blaogera tao Beijing. Manahy avokoa ireo akaiky azy, indrindra ny zokiny vavy izay manao ny faraheriny mba hahitana vahaolana amin'izany.
Shina: Niharan'ny tsikera Shinoa ny Tafika Antserasera Iraniana
Nitazona ny tontolon'ny twitter Shinoa hitabataba saika nandritra tontolo andron'ny talata ny fanafihan'ny Tafika Antserasera Iraniana ny mili-pikarohana lehibe indrindra Baidu.
Armenia: Straight mankany an-tanàna
(2012) Miaraka amin'ny tahan'ny Harinkarena faobe isan-taona izay tombanana ho $5,400 eo fotsiny tamin'ny 2011, iray amin'ireo firenena mahantra indrindra tao amin'ny Firaisana Sovietika taloha i Armenia. Tena azo tsapaintànana ny toedraharaha ho an'ireo tanàna ao amin'ilay firenena lavitra andriana, fa manantena ny hanova izany rehetra izany ny diplaomaty iray.
Kyrgyzstan: Miakatra ny Vidin'ny mofo, Ketraka be ny vahoaka
Maneho ny horakorany manoloana ny fiakaran'ny vidin'ny mofo ireo blaogera Kyrgyz. Ambany ihany koa ny môraly noho ny fihaonambe iraisampirenena, izay toa hamehy ny fivezivezena ao Bishkek renivohitra. Vaovao tsara? Fitsingerenan'ny taona nahaterahan'ny filoha androany...
Okraina: Fampihenana ny Vokadratsy sy Fampiharana ny Lalàna, Fizaràna Faha-2
Tamin'ny Oktobra farany 2008, nanoratra mikasika ny fiezahany hampianatra vondrona manampahefana tao amin'ny polisy ao Kyiv momba ny fandaharanasa mikasika ny fampihenana ny vokadratsy ny Okrainiana iray blaogera. Na toa tsy dia liana aza tamin'ity fomba fijery mbola-tsy-malaza mikasika ny fandraisana an-tànana ny zava-mahadomelina ity na tamin'ny fahazoany kapaoty maimaim-poana avy tamin'ireo mpikatroka aza ireo polisy nihaino ilay famelabelaran-kevitra, raha tarafina amin''ity lahatsoratra fanarahana (teny Rosiàna) nosoratan'i mazay ity, nisy vokany tsara ihany ilay resaka nony farany.
Fanavaozana mikasika ny kaonferansa “We Media”
Lahatsoratra tselika kely avy any Londres mba hampahafantarana anao fa handray anjara amin'ny resaka skype sy amin'ny IRC sehatra fifanakalozan-kevitra amin'ny aterineto miaraka amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices ny iray amin'ireo mpandahateny aty, i Nitin Desai .
Ny faritra Pamir ao Tadjikistan: Tandindonin-doza hatrany ve ?
Mandrahona ny fiainan'ny vahoaka Pamiri sy ny faritra amin'ny ankaponbeny i Sarez, ilay farihy avo marefo amin'ny fipoahana raha misy ny fisehon'ny horohorontany lehibe.
Koety sy ny Andron'ny Lainga
Nanomboka nandrakotra ny blaogy Koetiana ny gazety iray any an-toerana. Any amin'ny firenena maro, mety ho hita toy ny dingana tsara izany fa manana hevitra tsy miloaka ireo blaogera Koetiana sasany. Mitatitra i Abdullatif Alomar. Manamarika ny fitobahan'ny lahatsoratra marobe ny voalohan'ny volana Aprily, izay mampanontany tena ireo mpamaky sy blaogera raha toa ka marina ny zavatra vakiany na tsia.
Bangladesh: Ireo Fifidianana 2008 Sy Ny Fikatrohana Anaty Aterineto
Fifidianana tao Bangladesh ny 29 Desambra 2008, fifidianana solombavambahoaka efa tena nandrasana fatratra. Fampielezankevitra mizotra amin'ny fomba tena samihafa amin'ny fifidianana filoham-pirenena natao vao tsy ela akory tao Etazonia, ka tany ireo median'ny olom-pirenena, ny fanentanana fifidianana sy ny fanangonambola, amin'ny aterineto, dia tena nanan-danja tokoa
Nahazo laza ny bilaogera Maraokana ary nampihena ny fanjakazakan'ny teny Frantsay amin'ny bilaogy
Mahaliana kokoa ny mihaona amin'ireo bilaogera mivantana, ary nanana tombontsoa aho niresaka tamin'ny sasany tamin' ireo kintan'ny blogoma. Niady hevitra tamin'izy ireo aho ary gaga tamin'ny fomba fisainan'izy ireo sy ny fivelaran'izy ireo indrindra fa vehivavy ny ankamaroan-dry zareo.