Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Febroary, 2017
Netizen Report: Tsy Voajerin'ny Hafa Tokoa Ve Ny Mailako? Te-hahafantatra Ireo Mpiseraseran'ny Riseup
Rindratsompatra vaovao mikendry ny mpisera mac, manome torohay vitsivitsy momba ny fizaran-dahatahiry amin'ny mpanao dokambarotra ny Facebook, ary mety hiteraka fatiantoka an-tapitrisany ho an'ny firenena ny fanidiana ny aterineto ao Kamerona.
Mandroso Amin'ny Asany Ireo Vehivavy Mpikorisa Ao India
"Tiako ho hita maso izany fa nisy ireo tovovavy mpikorisa ao India, na dia azo nisaina tamin'ny ratsa-tanana iray aza ny isan'ireo tamin'izany fotoana izany. Nanomboka niresaka tamin'ireo ray aman-dreny aho mba hitondra ny zanak'izy ireo amin'ny fikorisana sy handray anjara amin'ny hetsika antserasera."
Kinendrin'ny Rindrantsompatra Nohamafisina ny Fitaovana Mac-n'ireo Iraniana Mpikatroka
Manana viriosy vaovao hikendrena ny solosaina Apple ireo mpijirika Iraniana tohanan'ny fanjakana izay mikendry ireo mpisera mandala ny zo sivily sy ny zon'olombelona.
Fa Maninona No Mizara Ny Laharana Maha-mpianatra azy Ao Amin'ny Tambajotra Sosialy Ireo Porto Rikana?
Ao anatina krizy ny fampianarana ambony ao Porto Riko taorian'ny fanapahana famatsiambola sy onjam-pangataham-pialana tao amin'ny Oniversiten'i Porto Riko.
Manome Feo Ho An'Ireo Olona Nanjavona Any Meksika I Facebook
Manery ireo fianakaviana hampiasa ny fitaovana rehetra misy ny famoizam-po tsapan'izy ireo. Manamafy ny fikarohana amin'ny alàlan'ny tambajotra sosialy sy ireo sehatra nomerika hafa izy ireo .
Mitaky Ny Hanesorana Ny Sary Sokitra Eo Alohan'ny Fitsarana Tampony Ao Bangladesh Ireo Vondrona Islamista
Latsaky ny herinandro no ananan'ireo manampahefana mba hamaliana ny fangatahana izay lazain'ireo mpiasam-panjakana ambony sy ny mpampiasa tambajotra sosialy ho toy ny adaladala.
Nalaza ny Fampivadian'ny Iraniana An'i Iran sy i Etazonia Tamin'ny Alalan'ny #LoveBeyondFlags
Mba hanoherana ny kabary tsara lahatra feno fankahalana eo amin'ny fitondram-panjakan'izy ireo sy hanehoana ny fankasitrahan'ny Iraniana amin'ireo Amerikana mpanao fihetsiketsehana izay nitsangana nanohitra ny fandraràna fivezivezena nosoniavin'i Trump, nataon'ny Iraniana malaza tao amin'ny Twitter ny #LoveBeyondFlags [Fitiavana Mihoatra ambadiky ny Faneva]
Fanadihadiana iray Miresaka Ny Fiainan'ireo Adolantsento efa Reny ao Bolgaria
"Mazàna, tsy omena fahafahana mihitsy ry zareo mba hisafidy izay fiainany ary tavela ao anaty faribolana vetavetan'ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra, ny tsy fananana asa ary ny fahantràna."
Fitaovana Vaovao Fisintonana Feo ho an'ny Tetikasa Wiktionary Ifandrimbonan'ny Avy Any Ifotony Amin'ny Teny Odia
Namorona vahaolana iray mba hiraketana sy hisintonana teny amin'ny fampiasàna fahazoandalana misy loharano misokatra ny iray amin'ireo mpandray anjara ato amin'ny Global Voices liana amin'ny fiteny Odia.
Chequeado.com: Fiaraha-Mientan'ny Mpanao Gazety Arzantiniana ‘Hanamarina’ ny Lahateny Kabariana Ampahibemaso ao Amerika Latina
"Ampangain'ny manampahefana ho mpanohitra sy manohitra [izay ataon'ny] governemanta izahay. Soa ihany, satria tsy mikasa ny hinamana amin'izy ireo izahay, fa mikasa hanangana vondrom-piarahamonina aminareo. Ny fanamarinana amin'ny alalan'ny zava-misy marina...."