Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Desambra, 2012
Nanomboka Fanentanana #ProtectPrivacy Izay Niteraka Resabe Ny Minisitry Ny Fifandraisan-davitra Libaney
Miantso ny fianakaviambe ao anaty aterineto ny Minisitry ny Fifandraisan-davitra Libaney hanampy azy hiaro ny tsiambaratelo, raha nangatahina hanome ny mombamomba ireo olom-pirenena. Miteraka adihevitra goavana izay hanazavana ny politika ao an-toerana io fanentanana io.
Etazonia: Mitsangana Hanarina Ny Faharavana Ny Occupy Sandy
Iray volana izay no nisian'ilay tafio-drivotra Sandy nandravarava tao Avaratra-Atsinanan'i Etazonia; na dia izany aza, mbola mitohy foana ny ezaka famonjena taorian'ity loza voajanahary ity. Raha nitady famonjena ho an'ireo...
Andro Faha-2 Ho Fampandrosoana An'i Amerika Latina 2012
Nifarana tamin'ny Alahady 2 Desambra teo ny andro faha 2-n'ny hackathon isam-paritra ho fampandrosoana an'i Amerika Latina 2012, nokarakarain'ny Ciudadano Inteligente Foundation tany amin'ny firenena valo any amerika Latina. Taorian'ny asa mafy tsy ankiato 36 ora , dia nanomboka nanolotra ny tetikasany ireo mpandray anjara tany amin'ny faritra samy hafa mba hahafahan'ny mpitsara maka fanapahan-kefitra ao aoriana ao. Eto no anoloranay ireo mpandresy avy any amin'ny faritra samy hafa.
Ejipta: Mitaky Rindrambaiko Tovozina Malalaka Sy Maimaim-Poana ny Vahoaka
Maro no efa niteny ny anjara asam-panafahana nataon'ny teknolojia nandritra ny fitroarana tany Afovoany Atsinanana, ary maro ny tokony holazaina amin'ny anjara asan'ny fitroarana tamin'ny fanafahana [fampiroboroboana ny teknolojia ao...
Syria: Mifampiraharaha Fandosirana Hita Tao Amin'ny Twitter
Taorian'ny tati-baovao nilaza fa nandositra tany Etazonia tamin'ny 25 Desambra ilay syriana mpitondra tenin'i Jihad Makdissi teo aloha, mpikatroka Rami Jarrah, fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe Alexander Page, izay namoaka sioka manokana...
Habaka Fanaovan-Gazety Angon-dRakitra Frantsay Mahaleotena OWNI Norahonana Hakatona
Nivoaka iny herinandro lasa iny ny vaovao mikasika ny fanankatonana izay tsy azo idoviran'ny OWNI (OWNI.fr), Angon-drakitra Frantsay momba ny Fampahalalàm-baovao mahaleotena. Malaza amin'ny fiaraha-miasa akaiky miaraka amin'ny WikiLeaks, OWNI nampivoatra ny rindrambaiko WarLogs sy nanatanteraka ny famakafakana mahaliana ny amin'ny SpyFiles, ary dia nitatitra hatrany hatrany ny fanaraha-maso sy ny fitantanana ny aterineto ary ny fahalalahana an-tserasera.
India : Adi-hevitra Manodidina ny Famonoana ho Faty Noho ny Fanolanana
Delhi, sy ny fiantsoana azy mampiahiahy ho ‘renivohitry ny fanolanana’ no nanatri-maso indray ny fanaovana an-keriny vehivavy 23 taona (jereo ny tatitry ny Global Voices), izay niteraka fihetsiketseham-panoherana goavana tao an-drenivohitra sy...
Mampitandrina i Shina: “Tsy Ambonin'ny Lalàna ny Aterineto”
Ny 18 Desambra 2012, namoaka lahatsoratra eo amin'ny pejy voalohany mitondra ny lohateny hoe “Tsy ambonin'ny lalàna ny Aterineto” ny gazety mpanohana ny governemanta Shinoa People's Daily [gazety mivoaka isan'androm-bahoaka] . Hoy ny...
Iraniana-Amerikana Mitady Olona Be Herim-po Hanavotra Aina
Mitady olona be herim-po ny mpiserasera Iraniana. Tsy ho amin'ny revolisiona na ady, fa mba hanavotr'aina. Nasim, tanora vehivavy Iraniana avy ao Avaratr'i Kalifornia no mila taova tsokan-taolana (moelle osseuse)...
Mpianatra Maro Nanao Hetsi-Panoherana Eran'i Hongria Ho Fiarovana ny Fampianarana Tsy andoavam-bola
Any Hongria, ambetin-dresaka mahaliana hatrany ao anatina ady hevitra ny rafim-pampianarana tsy andoavam-bola ho an'ny sarambam-bem-bahoaka. Tamin'ity herinandro ity, nivadika ho hetsi-panoheran'ireo mpianatra nanerana ny firenena izany ady hevitra izany.