Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Janoary, 2010

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Janoary, 2010

16 Janoary 2010

Karaiba: Jeritodika isam-paritra 2009

Amin'izao fankalazan'ny Global Voices ny faha-dimy taonany izao, dia izao no fotoana hanararaotina hanazavàna ny antony anaovantsika izay ataontsika sy izay fiovana vitan'ny asantsika.  Araka ny namintinan'ny mpiara-miasa amiko Jillian York azy hoe, “Mampiely tantara isika. Mampiely teny.”  Miezaka ny ho amin'izany tokoa izahay noho ireo olona marobe miketrika amin'ny...

11 Janoary 2010

Iran: tolona iraniana tohanan'ny mpiserasera shinoa

Hatramin'ny fihetsiketseham-bahoaka manohitra ny fitondrana islamika tany Iran nandritra ny fankalazana ny Ashura, dia mpiserasera Shinoa ampolony ny niditra tao amin'ny valam-piaraha-monina Twitter #iranelection. Ary dia nampiany hashtag vaovao, #CN4Iran, izany sy vohikala vaovao hanohanana ny tolon'ny vahoaka Iraniana, mitondra ny anarana hoe CN4Iran.org. Niresaka tamin'ny iray amin'ireo mpiserasera nanangana izao...

07 Janoary 2010

Madagasikara tamin'iny taona iny – Fizarana fahatelo -

Teo alohaloha teo moa i Lova Rakotomalala no nanoratra ho antsika ny Madagasikara nandritra ireo volana niatombohan'ny taona 2009 izay tonga hatrany amin'ny fanonganam-panjakana nataon'i Andry Rajoelina, Ben'ny tanànan’ Antananarivo teo aloha, ka nahatafakatra azy ho eo amin'ny fitondrana. Narahin'i Mialy tamin'ny volana vitsivitsy manaraka ny fitantarana, izay mbola nahitana...

Ejipta: Fanentanana “Mitenena”

Raha miomana fatratra ho amin'ny fifidianana filoham-pirenena hatao amin'ny taona 2011 i Ejipta dia misy andian'olona ao amin'ny tontolon'ny bilaogy manao fanentanana mampirisika ny olona hino fa afaka manova izy ireo ary afaka miteny amin'ny alalan'ny latsa-bato hataony. Izay no antony nahatonga ny fanentanana “Mitenena”, nanomboka azy i  Ghada Abdel...

02 Janoary 2010

Japana: Aelezo ny hafatra, adikao

Tafatafa an-tsary [en] niarahana tamin'i   Kyo Kageura, lehiben'ny tetikasa Minna no Honyaku (みんなの翻訳, fandikan-teny ho an'ny rehetra, Translation for all) [ja], sehatra iray ho fandikana teny hanampy  ireo  ONG [Fikambanana tsy miankina] sy NPO amin'ny fanapariahana ny hafatra fisaorany an'ireo mpandika teny an-tsitrapo. Ny Global Voices any  Japana dia nanontany...