Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Novambra, 2015
Tetikasa Mapping for Niger : Ny Tantarany sy ny Vinavinany
Mitantara ny fiandohan'ny tetikasa Mandrakitra an-tsarintany ho an'i Nizera sy ny hoaviny i Fatiman Alher.
Noho ny Fanakatonana Ny Fampiharana Fandefasan-kafatra, Miditra Tor (sy Twitter) Ny Bangladeshita
Tsy mazava raha nosakanan'ny governemanta ny vavahadin-tserasera Facebook, na voaràra tanteraka ny fampiasana azy.
Polisy vaovao Okrainiana voarara amin'ny fampiasana tambajotra sosialy rosiana
Fihoaram-pefy amin'ny polisy Okrainiana ankehitriny ny miserasera VKontakte sy Odnoklassniki, sehatra rosiana roa malaza indrindra ao Okraina.
Tanzaniana Efatra Voampanga Noho Ireo Vaovao Politika Nalefany Tamin'ny WhatsApp
Tanzaniana efatra no nosamborina sy voaheloka noho ireo tsikera politika nalefany tamin'ny fampiasàna fandefasan-kafatra WhatsApp.
Vaovaon'ny fandrarana lehilahy Okrainiana tsy mahazo mandeha dia lavitra nopaingorin'ny miaramila ho hosoka
"Tsy hitsidika ireo mampiely tsaho sy vaovao tsy voamarina ny dadabe noely."
Narcodata, Tetikasam-panaovan-gazety iray famakafakana rakitahiry milazalaza ny zavamisy manodidina ny adin-drongony ao Meksika
Amin'ny fampiasana [lahatsoratra] "mora takarina", kisarisary ifanakalozankevitra no ilazan'ny Narcodata ny fomba nahaterahan'ny tambajotran-drongony, iza no lehibeny, ny ady ifanaovan'izy ireo, ny fifitarany ara-jeografika ary ireo heloka bevava nataony fantatra.
Manolo-kevitra Handràra ny Fandefasan-kafatra Antsoina hoe Telegram Ny Mpanao Lalàna Rosiana Satria Ampiasain'ny ISIS Izany
Tokony horaràna ve ny Telegrama satria ampiasain'ny fikambanana extremista tahaka ny ISIS izany? Mihevitra ny mpanao lalàna Rosiana iray fa tokony horaràna, saingy tsy miombo-kevitra kosa ny hafa ao Rosia.
Manadihady Ireo Vaovaon'ny Gazety Nentim-paharazana Momba ilay Fiaramanidina Rosiana Nianjera Tany Ejipta Ireo Mpampiasa Ny Media Sosialy
Fony hitan'ireo mpivady Rosiana tao amin'ny vaovao harivan'ny fahitalavitra ny sariny tao amin'ny Instagram, ho "olona niharan-doza tamin'ilay fianjeràna fiaramanidina tany Sinai," nandeha tany amin'ireo media sosialy izy ireo mba handravàna ilay hadisoana.
#FreeBassel: Tsahoana Hosaziana Ho Faty Ilay Syriana Injeniera Informatika
Niely ny tsaho fa nahazo sazy ho faty avy amin'ny governemanta Syriana ilay injenieran'ny rindrambaiko Syriana-Palestiniana any am-ponja Bassel Khartabil, fantatra amin'ny anarana hoe Bassel Safadi.
Sehatra vaovao manao izay hampety ny endrika sy fandaminana tanàna ho an'ireo eny ifotony
Ny sehatra, nantsoina hoe "Zhyteli" (Mponina), dia mikendry ny hanome fitaovana hoan'ireo mponina an-tanandehibe hifandraisana amin'ny mpifanolobodirindrina aminy hahombiazana kokoa amin'ny fikarakarana andavanandro ka hatramin'ireo asam-panavaozana goavangoavana.