Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Avrily, 2021
Enjehin'ny manampahefana Rosiana ny fanaovan-gazetin'ny mpianatra amin'ny video iray fanazavana hetsi-panoherana
Antsoin'ny mpanohana ny DOXA ho "hagegena" ny vesatra atao azy ireo ary takiany ny "hampitsaharana avy hatrany ny fanenjehana rehetra amin'ny mpianatra."
Jordania : Manomboka manao YouTube ny mpanjakavavy
Nanatevin-daharana ny YouTubers ny mpanjakavavy Rania avy any Jordania ka tena nahafaly ireo bilaogera Jordaniana sy tany Afovoany Atsinanana. Nivoaka tao amin'ny YouTube ilay horonantsary, natokana ho an'ny lohahevitra momba ny fitsarana an-tendrony, nahitana 'ity hafatra manaraka ity:
Miatrika sazy am-ponja noho ny sary “vatana miabo” ilay mpikatroka pro-feminisita any Rosia
Nanondro an'i Tsvetkova ho voafonja noho ny fieritreretana ny Amnesty ary niantso an'i Rosia mba hanala ny fiampangana rehetra sy "hampitsahatra ny fanaovana lasibatra ny feminista, LGBTI ary ireo mpikatroka hafa"
Manentana ny taranaka vaovao miteny Bali amin'ny alàlan'ny superheroes sy wiki
"Ny fidirana tsy mitovy amin'ny tontolo nomerika no olana lehibe indrindra eto aminay. Mitombo hatrany ny mpisera aterineto, saingy tsy ny faritra rehetra ao Bali no manana fifandraisana amin'ny aterineto raha ny tena marina."
Tokony hisy ve ny endrika amin'ny fiteny Shona amin'ny Google sy tranonkala media sosialy? Eny hoy ity Zimbaboeana mpahay teknolojia ity
"Tokony ho lohalaharana amin'ny fikarohana sy famokarana ireo fitaovana ireo ireo mpiteny teratany satria mahatakatra tsara kokoa ny fiteny manokan'izy ireo."
Mikiry ho amin'ny ahitana ny fiteny Dagbani bebe kokoa an-jotra ny mpikatroka nomerika Ghaneana
Sadik Shahadu: "Sarotra ny fidirana amin'izy ireo na dia misy aza ny loharanom-baovao Dagbani ivelan'ny aterineto sy ny fitaovana ianarana any amin'ny ankamaroan'ny tranombokim-panjakana any amin'ny sekoly sasany any avaratra."
Nampiato ny varotra ho an'i Belarosia sy Rosia ny orinasam-pitsikilovana finday Israeliana
Nanambara ny Cellebrite, orinasam-pitsikilovana nomerika Israeliana fantatra amin'ny fanamboarana fitaovana rindrambaiko ampiasaina hanangonana angondrakitra avy amin'ny finday avo lenta, fa hampitsahatra ny varotra amin'ny fanjakana sy amin'ny mpitandro ny filaminana Rosiana sy Belarosia.
Fanamarinana ny zavamisy ao Nepal amin'ny fotoanan'ny valan'aretina
"Misy ny fironana hifantina zava-misy ary hampiseho azy ireo hifanaraka amin'ny teti-panorony manokana."