Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Marsa, 2011
Syria: Mpi-tweet Ejipsiana-Amerikana voampanga ho manao asam-pitsikilovana
Nosamborina tany Syria ary naseho tamin'ny televiziona Syriana ho mpitsikilo ny mpisera Twitter Ejipsiana-Amerikana Muhammed Radwan (@battuta), mpitsikilo lazaina fa nitsidika an'i “Isiraely miafina sady efa nanaiky fa nandray vola avy any ivelany...
Hollaback!Fampiasaina finday hisorohana ny herisetra eny an-dalambe
Tranga tsy mbola fahita tany aloha ahafahana mampitsahatra herisetra ara-nofo eny an-dalam-be ny fisian'io "fipoahana teknolojia teo amin'ny finday io". Namporisika ny vehivavy manerana izao tontolo izao mba hampiasa an'ireo fitaovana eo am-pelantanan''izy ireo ireo io tetikasa io mba ahafahan'izy ireo mizara ny tantarany, manao tatitra sy mamaritra ny toerana nitrangan'izany toe-javatra izany.
Zeorzia: Mpanao gazety voaroaka fa niteny fankahalana tao @ Facebook
Ny 18 Marsa 2011 dia nandroaka ny roa tamin'ny mpanao gazetiny ny Fampielezam-peom-panjakana Zeorziana, dia i Giorgi Tukhareli sy i Giorgi Gabrichidze, noho ny teny fankahalana olona mitia mitovy fananahana...
Brezila: Ny Sandan'ny Famatsiana Ara-Bola ny Kolotsaina
Vaovao vao haingana ny hoe navelan'ny Ministeran'ny Kolotsaina Breziliana ilay mpihira malaza Maria Bethânia mba hanangona volaR$ 1.3 tapitrisa tsy tataovan-ketra (ny reais Breziliana iray dia tokony ho US$ 777,000 eo h eo) mba hananganana bilaogin-tononkalo, ary izany dia niteraka hatezeran'ireo mpitoraka bilaogy, ny mpampiasa Twitter sy ireo mafàna fo hafa amin'ny sehatry ny kolotsaina.
Iran: Fanoherana Syriana “Sady tsy Iran No tsy Hezbollah!”
Niresaka momba ny hiakiaky ny mpanao fihetsiketsehana Syriana nandritra ny diabe alarobia lasa teo ny mpamaham-bolongana Iraniana sasantsasany fa tamin'io diabe io no nandrenesana hiaka hoe "Sady tsy Iran no tsy Hezbollah!". Naman'i Iran i Syria sady samy mpiakama rahateo amin'ny vondrona mpikatroka Hezbollah any Libanona.
Syria: Famonoan'olona maro, nanjavona ny Bilaogera sy Mpanao gazety
Mbola mitohy ny fifandonan'ireo mpanao fihetsiketsehana ao Daraa, Syria . Vao maraim-be, tafika manokana no namono farafahakeliny olona 6 nandritra ny fanafihana tao amin'ny Moské Al Omari mba hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana...
Ejipta: Hitan'ilay mpamily Taxi tamin'ny alalan'ny facebook ny tompon'ny fakantsary very
Inona no mety ataonao raha mahita fakantsary ianao, ka hamerina azy amin'ny tompony? Tamin'ny fomba ejipsiana no nanaovan'ilay mpamily taxi ejipsiana iray azy ka nampiasa ny aterineto izy - ary nivaly vetivety izany.
Côte d'Ivoire: Nivadika ho fihomehezana tany amin'ny twitter ny fanapahan-kevitry Gbagbo
Anisan'ny lahatsoratra manokana momba ny tsy fahafafaliana tany Côte d'Ivoire 2011. Amin'ny ady ifanandrinan'i Laurent Gbagbo sy Alassane Ouattara any Côte d'Ivoire hatramin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny volana novambra 2010, dia...
Maraoka: Diabe nilamina nanerana ny firenena
Nidina an-dalambe isan-kerinandro, tahaka ny Toniziana sy ny Ejipsiana, ny Maraokana ny volana Febroary 2011, mitaky ny hanovana Lalampanorenana sy ny fametrahana rafitra demokratika parlemantera. Nisy ary ny Diabe am-pilaminana notontosaina ny Alahady 20 marsa nanerana ny firenena. Voatatitra tamin'ny alalan'ny aterineto, hita ao amin'ny Twitter, Facebook ary ny Youtube ny isa-minitran'izany diabe izany.
Lahatsary: Sarintany Fitadidiana Fotoana Maneho Ireo Hetsika sy Fitroarana Amin'ny Ankapobeny
John Caelan avy amin'ny vohikala The Swamp Post dia namorona lahatsary roa somary nafainganina fandeha maneho an-tsarintany ny fihetsiketsehana nanomboka tamin'ny 18 Desambra ka hatramin'ny 7 Martsa 2011, izay ahitàna ny fihetsiketsehana sy ny fitroarana mihànaka manerana ny firenen-tsamihafa.