· Aogositra, 2009

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Aogositra, 2009

Iran: Fijoroana vavolombelona amin'ny fampijaliana sy fanolanana

  26 Aogositra 2009

Notondroin'ny manam-pahaizana tsy miankina avy ao amin'ny Firenena Mikambana sy ny mpanohitra ho mampijaly ireo mpanao fihetsiketsehana nogadraina izay nanohitra ny vokam-pifidianana ny 12 jona lasa teo ny fanjakana iraniana. Medhi Karoubi mpitarika ny mpanohitra sady mpitondra tenin'ny parlemanta taloha no nanamarina fa mpigadra lahy sy vavy no iharan'ny fanolanana...

Maraoka: Fanehoan-kevitr'ireo mpitoraka blaogy noho ny fandraràna gazetiboky

  26 Aogositra 2009

Ny gazety frantsay Le Monde koa dia nanara-dia ireo roa hafa voarara ao Maraoka taorian'ny namoahany ny vokatry ny fitsapan-kevitra nanadihadiana ireo olon-tsotra Maraokana hanomezan'izy ireo ny heviny momba ny fitondram-panjaka, King Mohammed VI. Jereo hoe fomba ahoana no nandraisan'ny mpitoraka blaogy ny sivana natao tamin'ilay lahatsoratra.

Afghanistan : Androm-pifidianana

  22 Aogositra 2009

Afghans an-tapitrisany no nihaika ny fandrahonan'ny Talibans ka nandeha nifidy tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena faharoa nisy hatramin'izay teo amin'ny firenena tamin'ny alakamisy, araka ny filazan'ny gazety tandrefana. Nisy ihany, araka ny tatitra herisetra madinika niseho tetsy sy teroa ary tahaka ny vitsy ny mpifidy tao an-drenivohitra sy tany atsimon'ny faritany...

USA: “Ho roahina hody aho amin'ny Alarobia”

  18 Aogositra 2009

Herta Llusho dia mpianatra vao 19 taona mety ho voaroaka hiala an'i Etazonia hody any Albania amin'ny Alarobia 19 Aogositra. Mpitoraka blaogy maro ao amin'ny DreamActivist.org sy blaogy maro hafa ho an'ny zon'ny mpifindra monina no miantso ny Amerikana mba hanampy azy.

Kioba: Ny Maleconazo

  18 Aogositra 2009

Ny 5 Aogositra dia manamarika ny tsingerintaona faha-15n-n'ny fitraorana lehibe indrindra natrehin'ny governemanta revolisioneran'i Castro hatramin'ny taona voalohany nandresen'ny revolisiona: Ny Maleconazo

Ejipta: Fihemorana tsy misy fetra ny aterineto asiana fetra

  17 Aogositra 2009

Nifampitantana ny mpampiasa aterineto tany Ezypta naneho ny fahatezerany tamin'ny lalàna vaovao nametra ny fampiasany aterineto. Nadaboka ankehitriny ilay lalàna ka izay vao misoratra anarana ihany sisa iharany, ao anatin'ny roa volana, rehefa hita ny herin'ny hetsika.

Maraoka: “9 Isan-Jato aho!”

  16 Aogositra 2009

Toa naharomotra ny tontolon'ny blaogy Maraokana ny fanapahan-kevitry ny governemanta Maraokana hanàkana ny fipariahan'ny gazetiboky roa lehibe,Telquel sy Nichane, tokony hivoaka ny volana Aogositra. Teo am-panapariahana ny voka-pifidianana natao niaraka tamin'ilay gazety mpivoaka isan'andro Le Monde ireo gazetiboky ireo, izay niantsoany ireo olontsotra Maraokana hanome ny hevitr'izy ireo amin'ny fitondram-panjaka...

Caucasus: Resadresaka niaraka tamin'i Micael Bogar

  14 Aogositra 2009

Taorian’ireo disadisa telo tsy nahitam-bahaolana sy olana ara-poko maro dia toa tsy dia hita taratra loatra ny fandriampahalemana sy fitoniana any atsimon’I Caucasus Taorian’ny nipetrahany sy niasany tany an-toerana nandritra ny taona maro, talen'ny Tetikasa Center for Social Media ao amin’ny anjerimanontolon’I Amerika izao i Micael Bogar ary miresaka amin’i Global Voices Online momba ny tanjaky ny fitaovana haino aman-jery vaovao hisorohana disadisa sy hamerenana ny fifandraisana eo amin’ireo firenena mifanditra.