Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Mey, 2017
Pakistan: Fihaonan'ny Bilaogera Tao Lahore
Tamin'ny 23 Novambra 2008, bilaogera Pakistaney maherin'ny 100 no nihaona tamin'ny fivoriana tao Lahore , fihaonana voalohany tao an-tanàndehibe tamin'ity karazany ity
Rosia: Voaheloka Hiditra Toby Fanasaziana Mandritra ny Roa Taona Latsaka ny Mpitoraka Blaogy Iray ao Tatarstan
Ny 12 Septambra 2008, nitoraka blaogy momba ireo tsaho milaza ny fahafatesan'i Mintimir Shaimiev, filohan'i Tatarstan, i Irek Murtazin, mpitoraka blaogy iray ao Tatarstan. Tamin'ny Novambra 2009, voaheloka ho nanala baraka sy nampirisika ny fankahalan'ny olona i Murtazin ka voasazy hiditra toby fanasaziana mandritra ny herintaona sy 9 volana.
Voararan'ny Fanjakana Ilay Tantara An-tsary Ho An'olon-dehibe Voalohany Indrindra tao Ejipta
Voarara ao Ejipta ny tantara an-tsary ho an'olon-dehibe, "Metro", nosoratan'i Magdy El Shafee, taorianà didim-pitsarana iray. Maneho hevitra mikasika io fanapahankevitra io ireo mpitoraka blaogy sy mampiasa Facebook, izay milaza fa mbola famelezana iray hafa indray ny fahalalahana miteny no miseho.
Sodàna: Ho Avy Ny Revolisionam-bahoaka?
Taorian'ny fihetsiketseham-bahoaka tao Tonizia sy Ejypta, nisafidy ny datin'ny 30 Janoary 2011 ny vondrona mpikatroka Sodaney mba hanomboka ny fihetsiketsehana milamina ho fanonganana an'i Omar al-Bashir sy ny governemantany.
Brezila: Topimaso An-tsarin'ny Campus Party Tao Brezila
Nifarana ny Alahady teo ny Campus Party taona 2009 tao São Paulo. Mihoatra ny 6.500 ny olona nandray anjara tamin'ity andiany faharoa ity izay azo lazaina fa hetsika lehibe indrindra momba ny teknolojia sy ny kolontsaina nomerika ao Amerika Latina. Ho hitanao ato ny sasany amin'ireo sary mahaliana indrindra.
Maraoka: Anarana Samy Hafa, Tantara Mitovy
Na dia eo aza ny fandrosoana ivelany, niatrika tsy fahombiazana maro ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety tato anatin'ny taona vitsivitsy i Maraoka.
Pakistàna: Avereno Indray Ny Fanentanana Teknolojika
Tao Pakistàna, ny P@SH@- Pakistan Software Houses Association- dia nandray ilay hetsika TBTT sy nitondra azy mandroso ary efa nanomboka sahady fanentanana tany anaty sehatra samihafa anaty aterineto any.
Japàna: Ilay Andro Tsy iantsenàna
Mpanjifa manara-drenirano fotsiny isika..."izay vidianao no mamaritra ny maha-ianao anao"
Hàlatàhaka Manàla Baràka Mahavoarohirohy Ny Minisitry Ny Siansa Sy Ny Fanabeazana, Miteraka Savorovoro Ao Kroasia
Andianà manampahaizana, tohanan'ireo sonia maherin'ny 11.000 voahangona tety anaty aterineto, no mbola mitohy mitaky ny fanesorana ireo mpanao hàlatàhaka tsy ho anisan'ireo mitàna birao ambony amin'ny asam-bahoaka ao Kroasia.
Tonizia: Ary Tratran'ny Sivana I Arabicca!
Nanapa-kevitra hanohy indray ny famahanana bilaogy tamin'ny herinandro lasa ilay bilaogera Toniziana Fatma Arabicca izay voasambotra roa volana lasa izay. Tonga ireo manampahefana nanakana ny lahatsoratra iray monja tao amin'ny bilaoginy vaovao . Naneho hevitra momba ny fandrarana sy ny fanasivanana ireo bilaogy hafa ihany koa ireo bilaogera Toniziana .