Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Novambra, 2013
Alaa Abd El Fattah , Ejiptiana Mpikatroka Mafàna Fo Nosamborina — Indray
Ny alin'ny Alakamisy teo, tao Kairo, nosamborina tao an-tranony i Alaa Abd El Fattah ilay Ejiptiana mpikatroka mafàna fo sady bilaogera manana ny toerany. Ahian'ireo mpanohana azy ho natao ho fampiharana ilay lalàna vaovao mandràra ny hetsi-panoherana eny an'arabe ao Ejipta ny nisamborana azy
Mivadika Ho Kisarisary Mahatsikaiky Ilay Tantara Ratsy Momba Ny Trosan'ny Governoran'i Tokyo
Miala tsiny amin'ilay tantara ratsy mikasika vola notrosainy ny Governoran'ny tanànan'i Tokyo. Noraisin'ireo mpampiasa Twitter ao Japana ho vazivazy izany.
Mandrisika Ireo Vavahadin-tserasera Lehibe Hifehy ny Vavany Ve i Korea Atsimo?
Nanambara ny fikasany hanome alalana ireo vavahadin-tserasera lehibe hanao sivana sy hamafa ireo fanehoan-kevitry ny mpiserasera izay hita fa manala baraka ny governemanta Koreana Atsimo,
Mahafaly Ny Rosiana Mpanohitra Ny Hetsi-panoheran'ireo Okrainiana Mpomba Ny Fidirana Ao Amin'ny Fiombonambe Eoropeana
Tsy misy marimaritra iraisana ny amin'ny tokony hanohizan'i Okraina ireo dingana lavabe hidirana ho ao amin'ny Fiombonambe Eoropeana - na tokony mbola hitrandraka hatrany ny fifamatorany amin'i Rosia izy
Niteraka Fihetsiketsehan'ireo Mpanakanto Kolombiana Mpanao Graffiti ny Graffiti An'i Justin Bieber
Nahazo tsikera mahery vaika ireo polisy niaro an'i Justin Bieber raha nanoratra graffiti ity farany, raha nisy polisy manampahefana iray niakatra fitsarana satria namono tanora mpanakanto graffiti tao Bogota.
SARIPIKA: Tonga Maro Ny Mpifidy Hanangana Ny Antenimieram-Panorenan'i Nepal
Taha ambony indrindra mahatratra hatramin'ny 70 isanjato no voarakitra ao Nepal nandritra ny fifidianana voalohany taorian'ny faharavan'ny fitondram-panjaka. Ho tontosan'ity antenimieram-panorenana ity ve ny fandrafetana lalampanorenana tsy vitan'ny teo aloha?
Hopitaly Potemkin Ao Rosia?
Natao handrebirebena olona ambony tahaka ny Praiminisitra Medvedev ve ny hôpitaly maoderina aseho amin'ny fahitalavitra?
Nahataitra Ny Vokatry Ny Sarintsarim-Pifidianan'ireo Shiliana Any Ivelan'ny Fireneny
Mampiseho elanelana be mahavariana eo amin'ny vinavina'ireo mpandalina ny vokatra azo, izay mametraka an'i Michelle Bachelet ho mpandresy ary i Evelyn Matthei ho amin'ny toerana faharoa.
Fomba Hanampiana Ireo Tra-boina Tamin'ny Rivodoza Tao Filipina
An'aliny no maty ary an-tapitrisa no tsy manana hialofana taorian'ny nandalovan'ilay rivodoza mahery vaika tao Filipina tamin'ny herinandro lasa. Indreto ny fomba sasantsasany ahafahanao manampy.
Mpisera Twitter Boliviana Nosamborina Satria Naka Sary Tranobe Manan-tantara
Nosamborin'ny polisy ireo mpisera Twitter Boliviana satria naka sary tranobe manatantara. Tonga namonjy azy ireo avy hatrany ireo mpiserasera Boliviana rehefa nampilazaina tamin'ny alalan'ny sioka.