Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Febroary, 2014
Brezila : Lahatsary Mananihany Nosivanin'ny Rede Globo
Nahita fahombiazana be "Ilay lahatsary tsy tian'ny Globo ho hitanareo", izay anehoan'i Rafucko (breziliana mpanao gazety amin'ny endriny mananihany) amin'ny fomba mahatsikaiky ny heveriny ho fandrakofan'ny fantsom-pahitalavitra Rede Globo ireo hetsi-panoherana nampihovitrovitra an'i Brezila.
Vehivavy Teknisiana Môzambikàna Miresaka Momba Ny Fiantraikan'ny Tambajotra Sosialy Ao An-toerana
Resahan'ilay Môzambikana mpikatroka mafàna fo, Ludmila Maguni, ny fiantraikan'ny tambajotra sosialy eo amin'ny fiarahamonina Môzambikàna, amin'ny fanantenany fa mba ho tetezana iray hampifandray ny olom-pirenena sy ny governemantan'ny fireneny ny aterineto.
Bilaogera Indiana Mampiharihary Ny Fomba Fangalaran-dasantsy Tamin'ny Alalan'ny Lahatsary
Fanao ratsy mihanaka eny amin'ny ankamaroan'ireo tobin-dasantsy ao amin'ny firenena ny fangalarana, izay mila hiadiana amin'izao fotoanan'ny vidin-dasantsy miakatra izao.
Avy Any Kiev Mankany Moskoa: Hetsika Ao Rosia Mitondra Kodiarana

Ho fihantsiana dia nitondra kodiarana betsaka hanaovana fihetsiketsehana ao Moskoa ny Rosiana mpidina an-dalambe ho fanoherana ny fisian'ny gadra politika.
Mpanao Sariitatra Alzeriana Miatrika 18 Volana An-tranomaizina Satria Voalaza Fa Nanimbazimba Ny Filoha
Miatrika sazy 18 volana an-tranomaizaina i Ghanem noho ny sariitatra iray mbola tsy navoaka misy ny sarin'ny filoha Alzeriana, Abdelaziz Bouteflika ary nolazain'ny manampahefana fa manaraby azy.
Araho Mivantana Ny Fihetsiketsehana #Euromaidan Ao Okraina
Niafara tamin'ny famoizan'ain'olona goavana ny fifandonana teo amin'ny olom-pirenana an'hetsiny sy ny herim-pamoretan'ny governemanta nandritra ny fihetsiketsehana tao Okraina ny harivan'ny 18 Febroary.
Sodàna: Bilaogera Mbola Voatàna Hatrany Noho Ny Fanakianana Filoham-Pirenena
Nosamborina tao amin'ny velakevitra iray ho an'ny mpanao gazety i Tajeldin Arja tamin'ny Desambra, taorian'ny nanakianany ny filoha Sodane sy Tsadiana noho ny fihetsik'izy ireo manodidina ny fifandonana any Darfur.
Mandihy Sy Mijoro Ho Amin'ny Rariny Any Azia Atsimo Atsinanana
Olona an'arivony any Azia Atsimo Atsinanana no nanohana ny 'Iray Miliara Mijoro' manentana ny olona hitaky ny rariny avy amin'ny fitakiana manokana hamaranana ny herisetra atao amin'ny vehivavy
Horonantsary Fanadihadiana Momba Ny Ady “Tsy Hita Maso” Ataon'ny Drôna Amerikana Ao Pakistan
Miresaka amin'ny mpanao gazety, mpikatroka sy manampahaizana ao anatiny sy ivelan'i Pakistana izahay mikasika ny vokadratsin'ny daroka drôna ao amin'ny faritry ny foko FATA
Rehefa Tsy Mandray Andraikitra Ny Polisy Dia Miditra An-Tsehatra Ny Olon-Tsotra Tia Mampita Vaovao
Nandray ny raharaha ny olon-tsotra tia mampita vaovao rehefa tsy nanao famotorana tamin'ny famonoana ilay tanora 21 taona antsoina hoe Babaousmail Azzedine ny polisy alzeriana. Mitatitra i Abdou Semmar.