Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Janoary, 2013

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Janoary, 2013

28 Janoary 2013

“Atsaharo Ny Famotehana Ny Tantaran'i Hong Kong”

Tamin'ny fotoana nahalany sy nametrahana tamin'ny fomba ofisialy ny Ben'ny tanànan'i Hong Kong vaovao CY Leung, antontan-taratasy amina miliara noraketin'ny governemanta no nopotehina. Raha ny marina, raha alahatrao avokoa ireo raki-taratasy nopotehina ireo dia ho 40 avo heny noho ny haavon'ny fanorenana avo indrindra manerantany dia ny Burj Khalifa ao...

26 Janoary 2013

Maoritania: Manao Diabe 700km Mitaky Ny Rariny Ireo Mpiasa

Tamin'ny Asabotsy 5 Janoary [ar], nanomboka nanao diabe lavitr'ezaka niainga tao an-tanànan'i Zouerat hihazo ny renivohitra Maoritania, Nouakchott ireo vondrona mpiasa tsy ara-dalàna na “Journalia” (mpiasa vonjimaika na isan-tonontaona). Raha ny fitambarany, diabe mirefy 700km no hovitain'ireo mpiasa mba hanoherana ny tsy rariny mihatra amin'izy ireo sy ny famitahana ataon'ny filoha Mohamed Ould...

24 Janoary 2013

Hongroà Mpianatra Manao Hetsi-panoherana, Miatrika Sazy, Mitohy Mitolona

Ny Desambra 2012, nitambatra hanohitra ny fampihenana goavana ny isan'ireo azo raisina amin'ny sekoly ambony ireo mpianatry ny anjerimanontolo sy sekoly ambony Hongroà. Mitohy ny tolon-dry zareo hisian'ny fidirana maimaim-poana

20 Janoary 2013

ONG Voasazy Noho Ny Fikaroham-Baovao Momba Ny Kolikoly Ao Espaina

Taorian'ny dimy taona nanaovana ady teny amin'ny fitsaràna, voasazy handoa 3.000 euros [es] ny Access Info Europe, ONG iray iarahan'ny mpanoratra ity lahatsoratra ity miasa, taorian'ny namoahan'ny Fitsarana Ambony didy milaza fa tsy manana zo hahafantatra izay fomba ataon'i Espaina hiadiana amin'ny kolikoly izy.

18 Janoary 2013

2012: Taonan'ny Fikomiana sy ny Fivoaran'ny Fiaraha-monina Any Amin'ny Firenena Mpiteny Frantsay – Fizarana Faharoa

Hotohizantsika asiana fizarana faharoa ny Tamberin'ny 2012 ho an'ny firenena mpiteny ampahany na manontolo ny teny frantsay. Raha nifototra tamin'ny fikomiana mitam-piadiana sy ny tetikasam-piaraha-monina mifandraika amin'ny krizy ara-toekarena ny fizarana voalohany tamin'ny tamberin'ny taona 2012 (izay hitanao ihany koa  ato) [mg] , ny fizarana faharoa kosa miompana amin'ny fikomiana sivily...

17 Janoary 2013

Nahanton'ny Twitter Ny Kaontin'ny Encyclopedia Kiobàna “EcuRed”

Nahanton'ny Twitter ny kaontin'ny [en] Encyclopedia Kiobana "Cubana EcuRed" araka ny fanambaràna iray nakarina tao amin'ny bilaogy ofisialin'ny tranonkala Ecured.

Tenifototra Fankahalàna Manonjanonja Ao Amin'ny Twitter

Nanonjanonja tao amin'ny Twitter nandritra ny andron'ny Sabotsy 22 Desambra ny tenifototra #SiMonFilsEstGay. Fandrisihana ny olona hankahala ireo olona mitovy nefa mifanambady, mody ampiarahana amin'ny hanihany diso toerana izay ny tena fototra dia ny hanomezana izay heverina ho sazy sahaza ny zanaka lahy raha toa izy ka mpitia lehilahy toa...

16 Janoary 2013

Tafatafa Niaraka Tamin'i Szabolcs Panyi, Tonian-dahatsoratry ny Global Voices Hongroà

Szabolcs Panyi, 26 taona, dia mpanoratra sy tonian-dahatsoratra ao aminà bilaogy Hongroà iray malaza, Véleményvezér ("Mpitari-kevitra”). Nanatevina laharana ny Global Voices amin'ny teny Hongroà izy tamin'ny Septambra 2011, ary hatramin'ny Martsa 2012 izy no lasa tonian-dahatsoratra mpanampy ato amin'ny tranonkala. . Global Voices

15 Janoary 2013

Manorisory Olo-Tsotra ny Polisy ao Kerala, India

Namelona adi-hevitra mafana sy ny fomba fitandroana ara-maoraly ny filaminana ao amin'ny fiaraha-monina ny tranga nisy tao Delhi. Ankoatra ny toetran'ny fiaraha-monina, ahoana raha ny polisy indray no manorisory ny olo-tsotra fa tsy misoroka amin'ny heloka tahaka izany? Vao haingana dia haingana tany Kerala no nahitana tranga telo tahaka izany...

13 Janoary 2013

Zana-Bohitra Palestiniana Vaovao Bab Al Shams Tafapetraka ao Jerosalema Atsinanana

Anisan'ny hetsi-pijoroana ao Palestina ny nananganan'ny mpikatroka Palestiniana 250 ny fananganana zana-bohitra vaovao antsoina hoe Bab Al Shams na “Vavahadin'ny Masoandro”, anisan'ny tany ao atsinanan'i Jerosalema nobaboina ary voasokajin'ny fitondram-panjakana Isiraeliana ho anisan'ny “Area E1“. Nisy Fanambarana ho an'ny gazety navoakan'ny Vaomieram-pandrindrana ny Tolom-Bahoaka ao amin'ny habakany androany vao maraimbe, mamelabelatra...