Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Jolay, 2018

31 Jolay 2018

Inona no nanjo ny zo niomerika nandritra ny fito taona lasa? Hilaza izany aminao ny andiany faha-300 amin'ny Tatitry ny Olon-tsotra Mpampiasa Aterineto

GV Mpisolovava

Amin'ity herinandro ity, miverina mijery ireo fito taona nandrakofana ny vaovao maneran-tany momba ny zo niomerika ho fankalazana ny andiany faha-300 nosaratanay izahay!

Pakistana: Parachinar, ilay paradisa lasa helo

Foiben-toeran'ny Masoivohon'i Kurram ao amin'ny Faritra ara-poko tantanana amin'ny fomba federaly ao Pakistana i Parachinar. Ankehitriny, azon'ireo talibana mpikomy ilay tanàna izay hampanjakany ny tahotra ka hanereny ny mponina hiala ao.

30 Jolay 2018

Bahrain: Andron'ny Mpifankatia sa Andron'ny Hatezerana?

Ao Bahraina, sady an-tambajotra no tsia, naneho ny firaisankinany amin'ireo Ejiptiana ny mponina, tamin'ny fanaovana hetsi-panoherana tao amin'ny Masoivoho Ejitpiana tamin'ny 4 Febroary. Na dia tena hetsika firaisankina tamin'ny ankapobeny aza ilay fivoriana, fahafahana ho mba hanehoan'ireo mpanohitra ao Bahrain izay manahirana azy manokana ilay hetsi-panoherana --izay nekena niaraka tamin'ny...

Egypta: Voasivana ny kaonty Flickr an'ilay mpikatroka

Nitroatra ireo mpikatroka Egyptiana taorian'ny "nanivanan'ny" Flickr ny kaonty fizaran-dry zareo sary.

29 Jolay 2018

Korontana feno nandriaka rà tao Peshawar

Nisy fanafihana iray indray niseho tao amin'ny hôtely iray tao Peshawar, Maro ireo Pakistaney sy mpiasan'ny Firenena mikambana ary mpiasan'ny ONG iraisam-pirenena no namoy ny ainy tamin'izany.

Shina: ”Sakana maitso” mba hanivanana ireo solosaina manokana

GV Mpisolovava

Araka ny Wall Street Journal  tamin'ny 8 jona 2009, noteren'ny fanjakana manokana ireo mpanamboatra solosaina maneran-tany mba hampitao rindrambaiko fanasivanana ireo PC aondrany ao Shina manomboka ny 1 Jolay 2009.

Malezia : Tetikasa famoronana rejisitram-panjakana ahitàna an'ireo blaogera.

GV Mpisolovava

Namolavola lalàna izay manery ireo blaogera mampiantrano ny blaogy eo an-toerana ny fanjakana maleziana. Very noho izany ny roa ampahatelony tamin'ny isa mahazatra azy tamin'ny fifidianana farany teo.

Shina: Voasakana ao Shina ny Twitter, Flickr, Bing.

GV Mpisolovava

Nakaton'ny fanjakana tamin'ny alalan'ny GFW avokoa ireo tranonkala mety hifaneraseran'ny sinoa ao Shina, toy ny Twitter, Flickr, Bing sns. Tsy nanakana ireo sinoa mpampiasa aterineto tsy handingana ity GFW ity anefa izany mba hahafahany miditra indray amin'ny Twitter.

Shina: Ho an'ny fitsingerenan'ny taona nitrangan'ny raharaha Tiananmen, ambany fanarahamaso hentitra ny Aterineto

GV Mpisolovava

Maro ireo tranonkala sy karajia firesahana an-tambajotra no nakatona noho ny vanim-potoana somary saropady ao amin'ny firenena.

Zimbaboe: Andiana fakana an-keriny politika

Mpikambana maro tao amin'ny MDC sy ny ZPP no nalaina an-keriny tao Zimbaboe, anisan'izany ny filohan'ny Zimbabwe Peace Project, i Jestina Mukoko.