Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Janoary, 2016
Côte d'Ivoire: Ireo Fanamby sy Fotoana Fanararaotan'ireo NTIC
Misokatra ireo vodilanitra vaovao eo amin'ny sehatra maro ao Côte d'Ivoire, miaraka amin'ny fidirana haingan'ireo teknolojia vaovao an'ny fampahalalam-baovao sy ny fifandraisana (NTIC). Hatramin'ny 2012, tetikasa maro no natomboka ka isan'ireo lehibe indrindra amin'izany ny fametrahana ny fibra optika 7.000 km manerana ny firenena iray manontolo.
Rosiana Pastafariana Voalohany Manana Ny Fahazoandàlana Mamily Fiara Miaraka Amin'ny Sary Misatroka Fitantavànana
Malaza ny Pastafariana Rosiana : voalohany izao, mpikambana ao amin'ilay antokom-pinoana no nahavita nametraka ny sariny misatroka fitantavànana paty—satroka tsy maintsy anaovan'ny Pastafariana— amin'ny taratasy fahazoandàlany mamily fiara.
Hafatra An-Dahatsoratra Ve No Nitarika Ny Fisamborana Ilay Gadra Iraniana-Amerikana Navotsotra Vao Haingana?
Another prisoner released in the swaps, Nosratollah Khosravi-Roodsari, appears to have been arrested to due to mass surveillance by Iranian authorities. His SMS messages were surveilled.
Rosiana Mpikatroky Ny LGBT Voasazy Handoa Onitra Noho Ny Fanaovana ‘Propagandin'ny Fahapelahana’ Antserasera
Voampanga ho nanao "propagandy pelaka" ny mpikatroky ny LGBT Sergey Alekseenko rehefa namoaka ny tsongam-pilazana nataon'ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny fandrindrana tatitra milazalaza vondrona LGBT hafa ao amin'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra.
Miverina Indray Ny Tetiandro Miboridandridan'ireo Makedoniana Ao Amin'ny Twitter
Taorian'ny fiatoana tamin'ny 2015, naverin'ireo Makedoniana mpampiasa Twitter indray ny fomba nahazatra azy amin'ny fanaovana tetiandro misy fitanjahana ho entina manao asa soa.
Angkety Map Manasongadina Fitaovana Nomerika Hamelomana Indray Ny Teny Indizeny Ao Aostralia
Tati-baovao manasongadina ny fitaovana nomerika azo jeren'ny fiarahamonina indizeny ao Aostralia liana amin'ny fampiasana teknolojia ho fiarovana sy ny famelomana indray ny teny Angkety map.
Nosamborin'i Arabia Saodita i Samar Badawi Fa Nisioka Tamin'ny Anaran'ny Vadiny Mbola Any Am-ponja
Nosamborina androany ilay Saodiana mpikatroka ny zon'olombelona Samar Badawi, voalaza fa mitantana ny kaonty Twittern'ny vadiny any am-ponja, Waleed Abulkhair, Saodiana mpisolovava sady mpiaro ny zon'olombelona malaza izy.
Fanantenan'ny Indiana Sy Pakistaney Hiala Amin'ny Fifandrafiana Ho Any Amin'ny Finamanana
"Firenena mpirahavavy i India sy Pakistan. Betsaka ny zavatra iombonana. Tsara kokoa ho an'ny rehetra i India-Pakistan tafaray :)"
Iza No Miaro Ny Zon'ny Mpiserasera Aterineto Rosiana? Tsy Ho Ireo Lehilahy Ireo.
Samy mieritreritra na ny mediatora ara-aterineton'i Rosia na ny mpanolo-tsaina vaovao an'i Putin ara-aterineto fa tsy andraikiny ny fiarovana ny zon'ny mpiserasera aterineto ao Rosia.
Mametraka An-tSarintany Ny Fahafatesan'Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Ao Ethiopia
Raha milaza aminao ny governemanta ethiopiana fa dimy ihany ny mpanao fihetsiketsehana maty tamin'ny fisian'ny herisetra teo dia aza inoana izany.