Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Septambra, 2012
Japana: Ampamoaka Momba Ny Tontolon’ny Asa Fanadiovana ny toby Nokleary Ao Fukushima
Nandrakitra ilay lahatsary [amin’ny teny japoney] an’i Tetsuya Hayashi, izay tsy nanampo hanao asam-panadiovana ao amin’ny toby nokleary ao Fukushima Daiichi, ny tranokalam-baovao japoney an’olotsotra 8bit news, tamin’ny 18 septambra 2012. Nangataka asa...
Iran: Andro fanoherana ny herisetra atao amin’ny biby
Tamin’ny taon-dasa tao Iran, orsa volontsôkôlà sy ny zanany kely niharan’ny herisetra sy novonoina no hita tamin’ny kamerà, izay tahaka ireny lalao “mpihaza” ao Samirom, Isfahan ireny. Tafintohina tamin’izany ireo Iraniana...
Maoritania: Diabe Ho Fahatsiarovana Ilay Mpanohitra Ny Fanavakavaham-Bolokoditra Nodimandry
Miantso ny hanaovana diabe amin'ny 27 Septambra 2012 ao an-drenivohitra Nouakchott ho fahatsiarovana ilay mpikatroka manohitra ny fanavakavaham-bolokoditra Lamine Mangane ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona Touche pas à ma nationalité TPMN (malagasy: Aza kitikitihinao ny zom-pireneko).
Okraina: “Ireo Lavenon'ny Fahalalahana Miteny”
Olona an-jatony vitsivitsy no nifamory [uk] tao amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena tao Kyiv ny 16 Sept. teo mba hanme voninahitra ny fahatsiarovana an'i Georgiy Gongadze, Okrainiana iray mpanao gazety izay nanjavona tamin'io andro io, 12 taona lasa izay, ary ireo mpanao gazety maro hafa maherin'ny 60 namoy ny ainy nandritra ny taona maro nahazoan'i Okraina ny fahaleovantenany tamin'ny 1991
Bolivia: Mitaky Fanadihadiana Momba Ny Famoretana Natao Tamin'ireo Indizeny Ny Minisitra Teo Aloha
Namoaka lahatsoratra tao amin'ny kaonty Facebook-ny [es] ny Minisitry ny Fiarovana Boliviana teo aloha, María Cecilia Chacón, izay navoakan'ny fampahalalam-baovao mahazatra avy eo, nanapaka ny fahanginanany izy tao anatin'izay herintaona nialàny izay.
Libanona: Mozea Virtoalin'Ny Sivana
Mirehareha ho manana Mozea Virtoalin'ny Sivana ankehitriny i Libanona, rakitra an-tserasera momba ny sivana niseho tao Libanona nanomboka ny taona 1940. Ny fikambanana Libaney MARCH no nanangana sy nampahafantatra ny tranokala mba...
Arzantina: “Ampy izay” Hoy Ireo Mpanao Hetsi-panoherana Ny Politikan'ny Governemanta
Ho setrin'ny antso natao tany anaty tambajotra sosialy, nanatrona ireo fihetsiketsehana goavana natao tamin'ny 13 Septambra tany amin'ny faritra samihafa tao amin'ny firenena ny vahoaka, mba hanoherana ireo politika vao haingana nolanian'ny governemantan'i Cristina Fernandez de Kirchner
Iran: “Miaramilan'ny Islam” Nisovoka Pejy Facebook-na Mpanao Sariitatra
Nosovohan'ny mpisovoka mpanohana ny fitondrana (iraniana) manonona ny tenan'izy ireo ho "Miaramilan'ny Islam" tamin'ny talata 11 septambra 2012 teo ny pejy Facebook-n'ny mpanao sariitatra malaza Iraniana, Mana Nayestani.
Ejipta: Tanora Miatrika Ny Fitsabahan'ny Tafika Any An-tsekoly
Raha mitombo tsy misy toy izany ny fanakianana ny tafika ao Ejipta, tanora iray kosa no nanao dingana goavana naraham-pahasahiana niatrika ny fitsabatsabahan'ny miaramila amin'ny rafi-pampianarana. Miteny amin'i Ahmed Hassan i Ahmed Awadalla, dia i Ahmed Hassan ilay nijoro nanohitra ny fampidirana ny resaka ara-miaramila any an-tsekoly.
Karaiba: Fanamarihana ny Fanafahana ny Fanandevozana
Maro amn'ireo firenena Karaiba no mankalaza ny 01 Aogositra, Andron'ny Fanafahana ny fanandevozana, izay ahatsiarovana ny fanafoanana ny fanandevozana. Manamarika ny vanim-potoana isan-taona ireo mpitoraka bilaogy, fa tamin'ity taona ity, saika ambany ny fifantohan'ny saina tety anaty aterineto momba io fialantsasatra io, raha azo isaina aminny rantsan-tànana fotsiny ny mponina amin'ny aterineto milaza izany eo amin'ny lahatsorany na eo amin'ny bitsiny.