Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Aogositra, 2014
Atsaharo Ny Fitarainana Amin'ny Governemanta! Mila Ny Olony Hamonjy Azy i India
Nanangana ny habaka "MyGov" Ny Praiministra Indiana, Narendra Modi, izay manasa ireo olom-pirenena Indiana mba handray anjara mavitrika amin'ny fitantanana sy ny fampandrosoana ny firenena.
Syriana Iray any Brezila: Tafatafa Niaraka Tamin'i Rami Alhames, Mpiara-miasa Ao Amin'ny Global Voices
Avy any Syria ka hatrany Brezila, avy amin'ny injeniera ka hatramin'ny fikatrohana mafana fo ary mifarana amin'ny Global Voices, manana ny tantarany tsara ho fantatra i Rami Alhames.
Roa Volana Taorian'ny Tondra-drano, Mbola Mikorontana Ny Fahalalahana Nomerika Ao Serbia
Taorian'ny tondra-drano nandravarava izay namely an'i Serbia tamin'ny volana Mey 2014, niharan'ny fanafihana ara-teknika ireo habaka ao amin'ny faritra maromaro izay namoaka ireo vaovao nitsikera ny ezaka fanavotana nataon'ny governemanta.
Andiam-Balala Hita Eto Antananarivo, Madagasikara
#valala pic.twitter.com/YHzOx5Q8QU — Vaintche Rahouli (@vincraholi) August 28, 2014 Namoaka sarin'andiam-balala manemitra an'Antananarivo renivohitr'i Madagasikara ny mpisera Twitter sy facebook maro avy eto Madagasikara. Tsy zava-tsy fahita eto Madagasikara ny...
Fihaonan'ny Mpikatroka Teny Indizeny Ao Oaxaca, Meksika
Manasa ireo mpikatroka teny indizeny manerana an'i Meksika ny Global Voices, amin'ny alalan'ny fisantaran'andraikiny Rising Voices mba handray anjara amin'ny Fihaonana momba ny Fikatrohana Antserasera Hoan'ny Teny Indizeny izay hotontosaina amin'ny 3 hatramin'ny 5 Oktobra ao amin'ny Foibe Ara-kolontsaina San Pablo, ao Oaxaca de Juárez, Meksika.
Tsy Manome Lanja Ny bilaogera Ny Rosiana Izay Vao Avy Nankatò Ny Lalàna Mifehy Ny Bilaogera
Tsy mahafantatra ny fisian'ny lalàna vaovao hoan'ny bilaogera ny ankamaroan'ny Rosiana, ary mihevitra ireo izay tsy mahafantatra izany fa mety ho zavatra tsara izany araka ny fitsapana hevitr'olona natao vao haingana.
“Casa Morada” Na “Ilay Trano Volomparasy”, Fikambanana Iray Ao Medellin Any Kolombià ‘ Hamoronana, Hankafizana Ary Handinihan-tena’
Morada na "Casa Morada", dia hevitra nitsiry avy tao amina fari-bohitra iray manahirana ao Medellin any Kolombià. Fantaro ny momba ireo tetikasa samihafa sahaniny izay mampiaraka ny zavakanto amin’ny fanabeazana sy ny fandraisana anjara.
Nofafana Noho Ny Fitarainana Maro Ilay Lalao “Bomb Gaza” (Darohy Baomba i Gaza) Tao Amin'ny Google Play
Nofafana tao amin'ny Google Play ny lalao amin'ny Android ahafahan'ireo mpilalao manatontosa fanafihana an'habakabaka ao Gaza taorian'ny tsikera sy ny fahatezerana
Enjika Mpamosavy [Hazalambo] Elektronika ao Bahrain, Israely sy ny ISIS
Marobe ireo olona nosamborina sy nampijaliana tao Bahrain taorian'ny hazalambo antserasera hamantarana ireo mpanao fihetsiketsehana. Nampiasain'i Israely sy ny ISIS izany tetikady izany androany.
Ny Fikambanana Mpanao Taokanto Ao An-damosin'ny Revolisiona Bôlivara.
Ao amin'ny bilaogin-dry zareo mitondra ny anarana hoe "No Sabemos Disparar", amporisihan'ny vondrona iray ary asehony an-tsary ny hetsika ataon-dry zareo eny an-tanàn-dehibe any amin'ireo vondrom-piarahamonina samihafa, avy ao anatiny na ivelan'ny renivohitr'i Venezoela.