· Febroary, 2010

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Febroary, 2010

[Podcast] Fanadihadina niarahana tamin'Fabiano Angelico momba ny Transparência Brasil

Mpandrindra ny tetikasan'ny Transparência Brasil (Brezila Mangarahara) i Fabiano Angélico. Ny toha-pikarohana nataony hahazoany diplaoma dia ahitana ny hoe “Ny fangaraharana, ny comptabilité ary ny ady amin'ny kolikoly” izay nataony tao amin'ny Anjerimanontolon'i Chili. Eo am-pakana ny Master ao amin'ny fitantanam-panjakana ao amin'ny Fundação Getúlio Vargas any São Paulo, Brezil izy amin'izao fotoana izao.

15 Febroary 2010

Brezila: Rakitsary Campus Party 2010

Lasa Ambohipihaonan'ny mpankafy, manampahaizana ary mavitrika amin'ny resaka aterineto i São Paulo tamin'ny volana lasa teo, nandritra ny Fihaonan'ny Anjerimanontolo (na Campus) Breziliana. Nisy fihaoana momba ny LAN, ny teknolojia,...

13 Febroary 2010

Egipta: Ny zo hiteny

Nanao famelabelaran-kevitra ireo mpitoraka blaogy sy mafana fo Egiptiana tamin'ny 22 Janoary mba hiarovana ny zon'izy ireo miteny taorian'ny nisamborana mpitoraka blaogy 20 mahery raha tonga tao amin'ny tanànan'ny Naga Hammady, izay nisian'ny famonoana ireo Coptic, ny fiarandàlamby nitondra azy ireo. Mitaitra ny hevitr'izy ireo momba ny fitànana azy ireo i Marwa Rakha ato amin'ity lahatsoratra ity.

09 Febroary 2010

Syria: mbola any amponja ny mpanao gazety Maen Akel

Maen Akel, mpanao gazety Syriana iray , voasambotra ny 11 Novambra 2009 ary ny sampam-pitsikilovana Syriana no nanao izany tany Damas. 48 ora latsaka taorian'ny fisamborana azy dia voaroaka tamin'ny asany tao amin'nygazetim-panjakana iray, Al-Thawra ihany koa izy. Mbola tsy fantatra ny tena antony nisamborana azy.

09 Febroary 2010

Tonizia: Sivana lava izao!

Mafy lavitra noho ny tany aloha, toa lasa fitsipi-dalao mihitsy ao Tonizia ny sivana. Vavolombelon'ny ady napoakan'i Ammar (solonanarana nomena ny sivana Toniziana), izay nanivanivam-poana blaogy maro tapa-bolana lasa izao ny tontolon'ny fitorahana bolongana Toniziana. Miray feo manohana ireo namany 'voasivana' ny mpitoraka blaogy maro.

09 Febroary 2010