Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Novambra, 2014
Selfies, ‘Fihaonana Sandwich’ ary ‘The Hunger Games': Ahoana Ny Ihaikan'ny Mpikatroka Ny Lalàna Miaramila ao Thailandy
Lasa izay ny enimbolana nandrombahan'ny tafika ny fahefana sy nametrahana ny lalàna amin'ny tany miady [miaramila] ao Thailandy. Mandritra izany fotoana izany, mampiasa karazam-pihetsi-panoherana ny jadona miaramila ny olom-pirenena Thailandey.
Voafehin'i Kremlin Raha Propagandy, Fa Tsy Ny Photoshop: Fihomehezan'ny RuNet Manoloana ny Sary Hosoka MH17

Niteraka vazivazy tao amin'ny RuNet ny sary zanabolana vaovao voalaza fa mampiseho porofo mivaingana fa tompon'andraikitra tamin'ny fianjeran'ny sidina MH17 Malaysia Airlines i Okraina.
Taorian'ny 25 taona, Nahatsapa Ho Niaina Tao Anatin'ny Demôkrasia Ihany Ve Nony Farany Ry Zareo Hongroa?

Tsy zava-baovao mihitsy ny nahatonga an'i Hongria ho 'firenena tsy malalaka'. Dimy ambiroapolo taona taorian'ny nirodanan'ny Rindrin'i Berlin, mitsangana ireo Hongroa mba hangataka ny tena demôkrasia marina.
Nametraka Volavolan-Dalàna “Fanafahana Amin'ny Tahotra” Ny Solombavambahoaka avy amin'ny Mpanohitra ao Serbia
Ny antony hampandaniana ity lalàna ity dia miompana amin'ny tsy maintsy ametrahana fiarovana ny fahalalahana sivily izay iantohan'ny Lalampanorenana amin'ny trangan-javatra hanitsakitsahan'ny manampahefana ao amin'ny governemanta ireo fahalalahana ireo
Videon'ny Hollaback! Maharitra Ora 10 : Izao Ve no Hamaritana Ny hoe Fanorisorenana?
Mafana dia mafana tokoa ny adihevitra nataon'ny mpiserasera tamin'ny lahatsarin'ny Hollaback! nifandresy lahatra ary matetika nifandramatra tamin'ny dikan'ny hoe fanorisorenana sy ny fanavakavahana.
Nanangana Hetsika Diezy Twitter Hanoherana Ny Orinasam-pifandraisana Goavana Iray Ny Ogandey
Nimenomenona nandritra ny taona maro noho ny tolotra mahatsiravina omen'ny MTN an'ireo mpanjifany ny Ogandey, ka nanapa-kevitra hanambatra ny heriny ireo Ogandey ary nanangana ny hetsika diezy Twitter manohitra ny MTN.
Niafara Tamin'ny Herisetra Sy Fisamborana Ny Hetsika Fifanorohana Tany India
Ny hetsika "Oroky ny Fitiavana" dia nijoro manohitra ny fifehezana ara-môraly ataon'ireo vondrona avy amin'ny elatra havanana, izay mihevitra fa fihetsika tsy maoty ny fifamihinana sy ny fifanorohana eny imasom-bahoaka.
Google Bus Mitondra Fahaizana Aterineto Hoan'ireo Mpianatra Antsasa-Tapitrisa Ao Bangladesh
"Mahafinaritra fotsiny izy :) zava-baovao amiko ilay izy saingy tena faly tanteraka aho. Mino aho fa hiparitaka atsy ho atsy sy halaza ao Bangladesh izany…hoy ny mpisera Twitter iray miresaka ny tetikasa google bus.
Lasa i Compoaré, Manadio Lalana sy Manahy Amin'izay Ataon'ny Tafika ny Fiaramonim-Pirenena Burkinabé
Misavoritaka ny ao Burkina Faso taorian'ny revolisiona niteraka ny fandroahana an'i Compaoré.
Hoy Ny Thailandey Mpianatra tamin'ireo Mpanohitra ao Hong Kong: “Aza Mitsahatra’
Tsy ara-dalàna amin'izao fotoana izao ny manao na miditra anaty fihetsiketsehana, saingy nisy vondrom-pianatra Thailandey naneho ny fanohanany ireo mpanao fihetsiketsehana ao Hong Kong nandritra ny resadresaka manokana iray tao amin'ny Google Hangout.