· Jona, 2018

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Jona, 2018

Kioba: Tsingerintaona Faha-55 Taonan'ny 26 Jolay 1953

Tao Kiobà tamin'ny taona 1953, teo amperin'ady hanohitra ny jadona nataon'i Fulgencio Batista izay nahazo tohana tamin'ny fiarovan'ireo Amerikana, nitarika vondrona iray nisy an'ireo tanora revolisionera i Fidel Castro nandritra ny fanafihana ny Toby Moncada tao Santiago. Ankehitriny io hetsika io dia fantatra amin'ny maha-fiandohan'ny Revolisiona Kiobàna azy. Tamin'ny faran'ny herinandro, ny 26 jolay 2008, nankalaza ny tsingerintaona faha-55-an'io fanafihana io i Kiobà, fety notarihan'i Raul, rahalahy sady mpandimby an'i Fidel, amin'ny maha-filoha Kiobàna azy.

29 Jona 2018

Sodana: Mitantara ny fomba mampahonena nisamborana azy ilay mpikatroka an-tserasera

Nosamborina nandritra ny bemidina tao an-tranony ny alin'ny 5 Martsa 2009 ary navotsotra ny 11 martsa ilay mpikatroka amin'ny aterineto Sodaney sady mpisolovava Abdel Hakim Abdel Rahman Nasr. Voasambotra izy ora vitsy monja taorian'ny nanehoany ny fanohanany ny didy fampisamboran'ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-pirenena ny filohan'i Sodana Omar al-Bashir.

27 Jona 2018

Jordania: Mamolavola lalàna mitaky ny tenimiafin'ireo tranonkala ny solombavambahoaka

Nodinihana sy novolavolain'ny parlemanta Jordaniana ny lalàna vaovao mifehy ny tranonkala elektronika izay mitaky amin'ireo mpitantana ny tranonkala mba hanome ny tenimiafin'ny tranonkalan'izy ireo any amin'ny Lehiben-draharaham-panjakana misahana ny Famoahana sy Fanontana pirinty. Raha toa ka mandà izany ny mpitantana, hoy ny volavolan-dalàna, dia hakaton'ireo manampahefana tompon'andraikitra ny tranonkala.

23 Jona 2018