Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Jona, 2014
Fortaleza, Brezila : Tantara Roa Momba Ny Fiadiana Ny Amboara Erantany
Mialoha ny fifanandrinan'i Brezila sy Meksika dia feno ireo mpanohitra ny FIFA sy ny governemanta ary ireo mpomba an'i Meksika miaraka amin'ny hetsika mafana ny làlana.
Però : Andro Fanapahankevitra Nampiatoan'ny Kaongresy Tamin'ny Asany Ireo Mpikambana 2 Mpanao Lalàna
Felaka roa navaivay tao amin'ny kaongresin'i Limà, naato tamin'ny asany hatramin'ny Oktobra ho avy izao i Gagó sy Uribe, mpikambana ao amin'ny kaongresy, taorian'ny tatitra roa samihafa navoakan''ny kaomisionan'ny parlemanta momba ny fomba ratsy voalaza fa fanaon'izy ireo.
Aoka Izay Ny Fampiasàna Ny Fitomboana Ho Fialan-tsiny Handotoana, Hoy Ireo Afrikana Mafana Fo
Ny vokatry ny Andro Maneran-tany 2014 ho an'ny Tontolo iainana ao Afrika: Tsy mamela ireo firenena hiaro ny tany ny filàna ny fitomboana eo amin'ny tanibe, hoy ireo Afrikana mpisolo vava.
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe ‘Indraindray Tsara Ny Fanolanana’, Mijoro Ny #MenAgainstRape Ao Pakistana
#menagainstrape : Tovolahy aman-jatony avy any Pakistana no nanatevina an-daharana ny fanentanana nataon'io tenifototra io.
Shina : Fetiben'ny Henan'Alika- Heloka Sa Kolontsaina ?
Miady mafy ireo mpikatroa mpiaro ny zon'ny biby any Shina mba handraràna ny fihinanana henan'alika, fa lazain'ireo mpankasitraka ny fomban-drazana sy ny mpakafy ny henan'alika ho fanitsakitsahana ireo zo sy ny kolontsaina izany.
Brezila sa Arzantina? Tonga Hatrany Bangladesh Ny Fifanandrinana Amin'ny Fiadiana Ny Amboara Eran-Tany Amin'ny Baolina Kitra
Tsy afaka milalao i Bangladesh nefa voan'ny tazon'ny fiadiana ny amboara eran-tany. Mizara ho antokon'i Brezila sy Arzantina ny mponina. Sainam-pirenena, akanjo ambony, adihevitra mafana - nanomboka tamin'ny fiadiana ny amboara eran-tany lalao baolina kitra.
Ataovy Google Fotsiny? Tsy Ao Shina Anefa Satria Mbola Mikatona Ny Google Ao
Google, Gmail sy ny tolotra hafa ao amin'ny aterineto goavana no nanjary tsy azo idirana nanomboka tamin'ny 30 mey, saingy azo hidirana ao amin'ny tambajotra virtoaly mahaleotena (VPN) sy ny habaka fanitarana ao Shina kosa ireo.
SARY: Milefitra Eo Anoloan'ny Fangatahan'ireo Mpianatra Ny Fanjakan'i Makedonia, Menatra
Anivon'ireo fifidianana sy tsy fahatomombanan'ny toekarena, manala baraka ny governemantan'i Makedonia ny hetsika dizitaly nataon'ny mpianatra ka namoahana tolotra mba hanatsaràna ireo fepetra iainana anatin'ny trano midadasika indrindra fatorian'ny mpianatry ny anjerimanontolo ao Skopje.
Mampahafantatra Momba Ireo Mpilatsaka An-tsitrapo Mamelona Ny Wikipedia Ity Kaonty Twitter Ity
Miezaka mampahafantatra ny asan'ireo "Wikipediana" ny fisantaran'andraikitra iray. Tetikasa tsy ofisialy mamondrona mpamoaka lahatsoratra isan-karazany isa-kerinandro ny WeAreWikipedia mba hanasongadina vaovao mikasika ireo pejy Wikipedia ankafizin'izy ireo indrindra ary misioka izany amin'ny alalan'ny fampiasana ny marika @WeAreWikipedia.
“Newsroum : Taratasy 100 Hampahafantarana An'i Romania”
Fisantaran'andraikitry ny Celsa ny “Newsroum” : efi-tranon-gazety natokana hiadiana amin'ireo fomba fijery diso sy hampahafantarana an'i Romania amin'izao fotoana.