Mankalaza ny sakafo indizeny amin'ny fanamby an-tserasera ho an'ny sakafo ara-pahasalamana ny Meksikana 

tlacoyo mexico

Tlacoyo, sakafo tamin'ny fanjanahantany Espaniola izay nanao ny fiverenany amin'ny sakafo Meksikana amin'izao fotoana izao. Sary: Padaguan/Wikimedia, CC BY-SA 4.0

Mandrisika ny olona hihinana sakafo ara-pahasalamana amin'ny alàlan'ny fiverenana amin'ny faka indizeny ao amin'ny firenena ny fanamby an-tserasera iray vaovao ao Meksika.

Eo ambanin'ny tenirohy #RetoTlacoyo, zarain'ny olona ny sarin'ny tlacoyo, ​​sakafo mahavelona nandritra ny fanjanahantany Espaniola izay ahitana tortilla nosesehana tsaramaso, tsaramaso lima ary potipotika frômazy (kanefa afaka miovaova betsaka ny fangarony).

Ny Alianza por la Salud Alimentaria ( Fiombonana ho an'ny Sakafo Ara-pahasalamana), fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena, no nanomboka ny fihaikàna ho fomba iray hanentanana ny olona hisafidy ny sakafo Meksikana be otrikaina hanoloana ny sakafo tsy ara-pahasalamana.

Toy izao ny fomba nanazavan'i Indigo ny tlacoyo:

Según algunos registros, los españoles probaron los tlacoyos por primera vez en el tianguis de Tlatelolco y les gustó tanto, que incluyeron este alimento en su dieta, no sin antes agregarle productos derivados de la res y lácteos.

La composición básica de un tlacoyo es un pequeña empanada de maíz azul nixtamalizado rellena de frijoles, habas, alberjón, chicharrón o requesón. Se sirven cubiertos, a manera de complemento, con una mezcla de ingredientes como crema, queso, salsa, nopales, cebolla y cilantro.

Araka ny tatitra sasany, nanandrana ny tlacoyos voalohany indrindra tany an-tsenan'i Tlatelolco ny Espaniôla ary tian'izy ireo tokoa izany ka nampidiriny tao anatin'ny sakafo fihinan'izy ireo, sy nampiany hena ary vokatra vita amin'ny ronono.

Koba-katsaka nahandroana ary nosesehina tsaramaso,  tsaramaso lima, voanjobory, hodi-kisoa na frômazy potipotika ny singa fototra ao amin'ny tlacoyo. Norarahana fangaro samihafa toy ny krèma, frômazy, saosy, raketa, tongolo sy kotomila izany ho famenony.

Ny hatavezana dia olana goavana eo amin'ny fahasalamam-bahoaka any Meksika, izay mihinana sakafo vitan'ny indostria betsaka kokoa noho ny any amin'ny ankamaroan'ireo firenena Amerika Latina.

Nilaza ny Alianza por la Salud Alimentaria fa nahatonga ny fitombon-danja ho an'ny mponina ny fanoloana ny sakafo nentim-paharazana Meksikana amin'ny sakafo indostrialy.

Nizara ny fandraisany anjara tao amin'ny kaonty ofisialiny Twitter ireo mpikarakara ny #RetoTacloyo:

Saripika: Mandraisa anjara amin'ny Fifaninanana Tlacoyo. Omeo lanja ny sakafontsika. VAKOKA MANERANTANY. Sakafo tena be otrikaina, ​​sakafo malaza tsy dia lafo loatra ahitana ny sasantsasany amin'ireo fangaro manan-danja hita ao amin'ny sakafontsika. Sioka: Tlacoyos avy any ivelany … Nahoana ny Meksikana no nandao ny sakafo nentim-paharazana sady sakafo ara-pahasalamana. Tlacoyos nosesehana tsaramaso lima sy salady raketa amin'ny endrika Meksikana.

Niely nanerana ny sisintanintsika ny #RetoTlacoyo . ?
??
Sary avy amin'i @ jlo517 Misaotra!

Matsiro ny retotlacoyo.

#RetoTlacoyo miaraka amin'ny tsaramaso, raketa sy saosy voanjo.

Tao amin'ny Instagram,  nanatevin-daharana ilay fifaninanana ary nizara ny sarin'izy ireo ihany koa ny mpisera nutricionycocinamx sy djchrisolive:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.