· Febroary, 2011

Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika tamin'ny Febroary, 2011

Bahrain: Fanajàna ny Andro Fisaonana

Ny Zoma (25 Feb) dia nambara tamin'ny fomba ofisialy ho 'Andro iray Fisaonana' an'ireo maritiora rehetra lavo nandritra ny Hetsi-panoherana tamin'ny Andron'ny Hatezerana ho an'i Bahrain, izay nanomboka tamin'ny 14 Febroary 2011. Misaintsaina ny amin'izay andro izay ireo mponin'ny aterineto.

Libya: Tahotra sy korontana ao an-tseranam-piaramanidin'i Tripoli

Tahotra, korontana, tebiteby ary hakivina - nampiasaina hitantarana ny zava-manjaka ao an-tseranam-piaramanidin'ny renivohitra Libyana nandritra ny andro faramparany avokoa ireo voambolana ireo. Tafiditra anatin'ny tsy fahafantarana izay ho avy i Libya hatramin'ny nisian'ny fitroarana hikomy amin'ny mpitondra ity firenena iray ity, dia ny fikomiana amin'ny Kolonely Muammar Al Gaddafi ny alin'ny 16 Febroary 2011 (#Feb17) .

Côte d’Ivoire: Fanentanana ao amin'ny Twitter mba hisarihana ny sain'Anderson Cooper

Nitana ny anjara asany ny mpanoratra ao amin'ny Global Voices Anna Gueye tao anatina fanentanana vao hainagana handresena lahatra ny mpitatitra mora resen-dahatry ny CNN Anderson Cooper mba tena hijery ireo mpanohitra any amin'ireo firenena Afrikanina tahaka an'i Gabon sy Côte d’Ivoire, tahaka ny nataony tamin'ireo fikomiana tany Tonisia, Ejipta sy ny tontolo Arabo hafa.

Ejipta: Ho Bokotra Fampandehana Indray Ny Revolisiona Ejiptiana Ve Ny 25 Feb?

Ny omaly no nanamarika ny volana voalohany nanombohan'ny revolisiona Ejiptiana. Voaongana ny filoha teo aloha Hosni Mubarak, saingy tsy mbola vita akory ny revolisiona. Ireo mpanaofihetsiketsehana ao amin'ny kianja Tahrir izay mangataka ny hanatanterahana ny fitakiany dia nohodidinina sy naparitaky ny polisin'ny tafika. Ho fiandohana onjan-kerisetra vaovao indray ve izany?

Kenya: #KenyaFeb28, Antso Eo Anivon'ny Aterineto Ho Amin'ny Fitiavan-Tanindrazana

  26 Febroary 2011

Ny Alatsinainy 28 Febroary 2011 dia toa sahala amin'ny manana ny lanjany ho an'ireo mponin'ny aterineto ao Kenya. Tanatin'ny fotoana maromaro izao ireo Keniana no miresaka any anaty Twitter, Facebook ary hatrany anaty mailaka no mifanontany raha fotoana izao tokony hampiasan-dry zareo ny tenifototra #KenyaFeb28 ao amin'ny Twitter mba handaminana ny hetsi-panoherana mikasika ny olana ara-politika, na tokony hampiasa hatrany io sehatra io handrisihana ny fitiavan-tanindrazana.

Vehivavy Saodiana Mangataka ny Zon'Izy Ireo, any anaty Twitter

GV Mpisolovava  26 Febroary 2011

Vanim-potoanan'ny fiovàna izao any Afovoany Atsinanana sy ny Tontolo Arabo ary tsy te-ho tara amin'izany ireo vehivavy Saodiana. Mandefa ny fangatahana fitoviana izao ry zareo any anaty aterineto any - ao amin'ny Twitter, Facebook, anaty sehatra fifanakalozan-dresaka sy bilaogy samihafa.

Iran: Tandindonin-doza i Hossein Ronaghi, mpitoraka bilaogy voafonja

Ilay mpitoraka blaogy Iraniana Hossein Ronaghi Malki dia manefa sazy 15 taona an-tranomaizina any amin'ny trano tsara aron'ny Fonjan'ny Evin, tsy mahazo mifandray amin'ny fianakaviany na ny mpisolo vava azy. Mojtaba Samienejad, mafana fo mpiaro ny zon'olombelona sady sekreteran'ny Trano Misahana ny Zon'olombelona any Iran, dia nilaza tamin'ny BBC Persiana fa mila fandidiana maika i Ronaghi ary efa ahiana mafy ny toe-pahasalamany.