Koety: Fandrahonana toy izany ve ireo bilaogera?

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2007)
ghabra.JPG

Ity no fanontanian'ilay bilaogera Koesiana taorian'ny famoahana tampoka ny fandaharana malaza amin'ny fahitalavitra The Diwaniya, izay nalefa tao amin'ny fahitalavi-panjakana Fantsona Voalohany (tamin'ny teny Arabo).

Ny Diwaniya dia adika ara-bakiteny hoe efitrano mahazatra any amin'ireo trano Koetiana, izay hivorian'ny olona mba hiresahana ny fiainany andavanandro, anisan'izany ny resaka sosialy, toekarena ary politika.

Endrika ara-tsosialy-politika ny fandaharana, izay natolotra sy notarihan'ilay mpanao fanadihadiana ara-politika Dr. Shafeeq Ghabra, ary mikendry ny hanokatra fifanakalozan-kevitra sy hameno ny hantsana eo amin'ireo taranaka. Niady hevitra mivantana momba ireo fanamby atrehin'ny Afovoany Atsinanana sy nifantoka ihany koa tamin'ireo olana samihafa misy ao Koety amin'izao fotoana izao ny fizarana isan-kerinandro.

Nesorina tsy nisy fampandrenesana mialoha ny fandaharana taorian'ny fizarana iray manasongadina vondrona bilaogera Koetiana sy ilay bilaogera Bahrainita Mahmood Al Yousif.

Al Yousif miresaka momba ny zava-niainany ato.

“The discussion was excellent, though probably too short of course to cover all the topics we wanted to cover; however, it is enough to entice the viewer to investigate blogging and maybe think of starting a blog themselves, which would be an excellent result of this program. Because of the topics discussed, I hope that the community too will be more aware of our activities and read our blogs to know us better and share in our passions and things that we choose to cover.
“The program is anticipated to be aired in April. I shall let you know the actual date when the schedule is actually confirmed,” he explains.

“Tsara ny fifanakalozan-kevitra, na dia mety ho fohy loatra aza mba hiresahana ireo lohahevitra rehetra tiantsika horesahana, na izany aza, ampy handrisihana ny mpijery mba hanadihady ny fibilaogina izany ary angamba mieritreritra ny hanomboka bilaogy manokana, izay mety ho vokatra tsara indrindra amin'ity fandaharana ity. Noho ireo lohahevitra noresahina, manantena aho fa hahafantatra bebe kokoa ny asantsika ary hamaky ny bilaogintsika mba hahafantatra antsika bebe kokoa sy hizara ny zavatra ankafizintsika sy ny zavatra izay safidintsika tantaraina ny vondrom-piarahamonina.
“Tokony ho alefa amin'ny volana avrily ny fandaharana. Ampahafantariko anao ny daty marina rehefa voamarina”, hoy ny fanazavany.

“Azo anaovana fehinteny mora foana ho fampahafantarana ny famahanam-bilaogy Koety sy ny sehatra famahanam-blaogy amin'ny ankapobeny ny fanadihadiana. Nanontaniana tsirairay momba ny bilaogy ny ankamaroanay, toy ny ny fomba nanombohanay, ny zavatra nosoratanay ary avy eo niditra kokoa tamin'ny lafiny politika/sosialy ao Koety sy manerana izao tontolo izao izany…. Koa inona no antenaina amin'izany? Tsy dia misy zavatra be antenaina amin'ny fotomboana be na fiakaran'ny sehatra famahanam-bilaogy amin'ny fotoana fohy. Tahaka ny lahatsoratra voalohany amin'ny bilaogy, matetika dia tsy mbola vakiana na adino izany, fa ny farany no vakian'ny olona maro kokoa, “hoy izy nanoratra.

Saingy tsy tokony ho izany!

Bilaogera Koesiana Zaydoun, izay nasongadina tamin'ny fandaharan'ny bilaogera, milaza amintsika ny antony.

Miombon-kevitra ilay bilaogera Koesiana Nibaq.

“Here I was ready to celebrate my blog's 4th birthday today with a possible recap of our appearance on an episode about blogs on the weekly show “Diwaniat Al-Osbou3″, hosted by Dr. Shafiq Al-Ghabra, that was scheduled on KTV last night, but alas… it was not meant to be. Instead KTV pulled the plug (geddit?) because apparently the topic was too hot for their liking. I felt like the Ministry of Information had cancelled my party at the last minute, like they do on with musical concerts on a regular basis under whatever bogus religious pretence.

“Upon chatting with my colleagues who appeared on the show, we tried to recall if we had possibly said anything controversial that may have provoked this cancellation. None of us felt that we said much, but then I pointed out that our standards and definitions of “freedom of speech” are very different from the government's and while we may say what we want on our blogs without fear of recrimination (the worst that could happen – so far – is that some over-zealous ISP could block your blog), when it comes to the government's own media a big fat line is drawn, never to be crossed. Basically, the government feels “this is our TV station and we'll tell you what you can or can't say!” he writes.

“Vonona aho hankalaza ny faha-4 taonan'ny bilaogiko androany miaraka amin'ny famintinana ny mety hisehoanay amin'ny fizarana momba ny bilaogy amin'ny fandaharana isan-kerinandro” Diwaniat Al-Osbou3 “, natolotr'i Dr. Shafiq Al-Ghabra, izay tokony nalefa tao amin'ny KTV tamin'ny alina, saingy indrisy……tsy tanteraka izany. Fa tsy nalefan'ny KTV satria toa hafahafa loatra amin'izy ireo ny lohahevitra. Nahatsapa aho fa ny Minisitry ny Fampahalalam-baovao no nanafoana ny fetiko tamin'ny minitra farany, tahaka ny ataony matetika amin'ny fampisehoana hira noho ny fialàna bala fa antony ara-pivavahana.

“Rehefa nifampiresaka tamin'ireo mpiara-miasa amiko izay niseho tamin'ny fandaharana, niezaka ny hitadidy izahay raha toa ka nisy zavatra mampifanditra nolazainay ka mety nahatonga ity fanafoanana ity. Tsy nisy nahatsapa izahay fa nilaza zavatra be dia be, saingy nanamarika aho fa ny fenitra sy famaritana ny “fahalalaham-pitenenana” dia tsy mitovy amin'ny an'ny governemanta ary raha afaka milaza izay tianay holazaina ao amin'ny bilaoginay tsy amin-tahotra ho homelohina izahay (ny ratsy indrindra mety hitranga – hatramin'izao – dia mety hanakana ny blaoginao ny mpamatsy tolotra aterineto diso mazoto) , raha mikasika ny fampitam-baovao manokan'ny governemanta, misy ny tsipika lehibe tsy azo hiampitàna. Raha tsorina, dia mahatsapa ny governemanta fa “fahitalavitray ity ary hilaza aminareo izay azo lazaina sy tsy azo lazaina izahay!” hoy izy nanoratra.

Kilama6goog, izay tao amin'ny fandaharana koa, manontany tena raha nofoanana ilay fandaharana noho ny fandrahonana apetraky ny bilaogera eo amin'ny fiarahamonina.

قبل فترة بسيطة بدأنا نستبشر خيرا في بوادر تغيير العقلية الاعلامية لتلفزيون دولة الكويت , فقد بدأت تظهر على قناته الاولى مجموعة من البرامج الهادفة التي نجحت في جذب كمية لا بأس بها من المشاهدين – أتكلم عن نفسي – و ذلك لما تطرحه من مواضيع جريئة يهتم لها المشاهد العربي بشكل عام و الكويتي بشكل خاص

“Vao haingana izay dia noraisina tsara tamin'ny marika fifanakalozana mahafinaritra teo amin'ny fomba fisainan'ny TV Koety izahay. Nisy fandaharana tsara vitsivitsy nanomboka nipoitra, izay nahomby tamin'ny fisarihana mpijery marobe noho ny resaka saro-pady, izay ahiahy teo amin'ny Arabo mpijery amin'ny ankapobeny sy ny Koesiana, indrindra indrindra, “hoy izy nanamarika.

نفاجأ بأن الوزير بالوكالة الحميدي يصدر أمرا بايقاف برنامج ديوانية الاسبوع و عدم عرض حلقة الليلة – حلقتنا – و عدم عرض بقية الحلقات المصورة – تقريبا أربع حلقات
و السؤال هو , هل تم ايقاف البرنامج بسبب حلقة المدونات؟

“Saingy gaga izahay avy eo fa namoaka fampiatoana ny fandaharana ny minisitra lefitra Al-Humaimidi ary nampiato ny fandefasana ny fizarana androany alina (izay tokony hisehoanay) ary nanome baiko ny hampiatoana ny fandaharana. Mino aho fa fizarana efatra farafahakeliny no efa voarakitra. Ny fanontaniana dia hoe: Naato ve ilay fandaharana noho ny resaka bilaogera.

Nilaza ny minisiteran'ny fampahalalam-baovao Koesiana taty aoriana fa nesorina ny fandaharana noho ny drafitra fandaminana indray ny fandaharana atolotra ao amin'ny fahitalavitra Koesiana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.